Politique

Fisamborana an’i Andry Biahary Mampitombo ny fahasosoran’ny olona ao Toliara


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Nosamborina ny alin'ny alakamisy 15 desambra lasa teo ity Filoha Tale jeneralin’ny Groupe AJIAH, mpanao asa soa ao Toliara

no sady mpampaneno lakolosy eo anatrehan’ny zavatra hitany fa tsy mety miseho ao an-toerana. Nentina niala an’I Toliara, ary voalaza fa tazomina ao amin’ny fonjan’Ankazondrano Fianarantsoa nanomboka ny zoma 16 desambra. Ny 10 desambra teo, nisy ny hetsika notarihiny, nisiana andian’olona nilanja sora-baventy eo anatrehan’ny toe-javatra tsy mety, toy ny fanorenana tsy ara-dalàna ao Toliara. “Mijoro sy tsy manaiky, arovako ny taniko, aoka izay ny fanitsakitsahana ny vahoaka madinika eto Toliara”, hoy izy. Anisan’ny nanaovany tsikera ny Espace iray izay eo amin’ny Toerana Jean Ralaimongo, izay nisy nahazo, misy olona milaza fa zafiny kanefa rehefa nojerena dia tsy zafiny, raha ny fanazavan’I Andry Biahary. Tsy hidiranay, hoy izy, ny fomba nahazoany azy, fa ny takianay maro an’isa, efa nametrahanay fitoriana amin’ny Kaominina, distrika, prefet, OMC, nisy fanangonan-tsonia, dia ny fijerena tsy fanarahan-dalàna. Tamin’ny 2010 no nananganana azy, misy 2 metatra mivoaka, misy mahazo ny arabe,… Izay mba mipetraka eo voahompa sy hamoahany basy. Teratany karana no voalaza fa nahazo sy lasa tompon’ilay toerana, ary io no isan’ny nanenjika azy sy ao ambadiky ny fanagadrana. Tetsy andaniny, ny sabotsy teo, nihetsika, ary nanome 48 ora ny manam-pahefana hamerenana an’i Andry Biahary ao Toliara ireo Hazomanga Tevondrony sy ny fianakaviany. Misy ny mihevitra, fa karana tsapatsapa politika hoentina mandrefy ity fisamborana an’I Andry Biahary ity hoe: manao ahoana ny mety ho fahatezeran’ny mponina ao Toliara? Raha mahomby io fisamborana azy io ka mangina ny olona, dia mety azo atao ny mangala-bato sy manodinkodina safidim-bahoaka eo anatrehan’ny zava-misy, izay manaratsy toa ratsiratsy ny toeran’ny fitondrana, ary mety hihena ny vato ho azony any Atsimo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT