Mandeha sy misoko miadana eny ihany ny politika na somary takotakon’ny « CAN 2019 » aza. Hanatanteraka ny Kongresy nasionaliny eny amin’ny Magro Tanjombato ny Antoko Tiako I Madagasikara na ny TIM manomboka anio sy rahampitso.
Hanamafy ny heriny sy mametraka ny paikadiny vaovao hiatrehana ny raharaham-pirenena. Hamondron-kery eny amin’ny Hotely Carlton ary miantso ny olom-pirenena ho avy ireo ao anatin’ny “Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato amin’ny fifidianana” ny alatsinainy izao. Etsy an-kilany, dia misoko miadana ihany koa ny fikotrehana ny fifidianana hatao ny 28 oktobra satria afaka herinandro eo no hisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy. Na ny antoko TIM na ny hetsika etsy amin’ny Carlton, dia samy manakiana ny fitsipi-dalao amin’ny resaka fifidianana eto, izay mila hahitsy sy halamina ary hametrahana fitsipi-dalao mazava sy hifanarahana. Efa nilaza ny TIM fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna raha tsy diovina ny lisi-pifidianana ary mizaka ny saziny ireo tompon’antoka tamina hosoka samihafa toy ny resaka kara-panondro hatrany amin’ny 1 tapitrisa mitovy laharana. Tsy noraharahiana ny fitoriana miisa 684. Efa tena loza amin’atambo raha ny vaomieram-pirenena nisahana ny fifidianana aza nametraka fitoriana 77 isa, saingy toa tsy nisy resaka. Efa ny mpikarakara izao no niaiky fa nisy ny tsy nety, saingy vitavita ho azy. Andeha ve ny amboletra sa hisy ny finiavana hifampihaino sy hanitsy ny tsy nety ? Hangotraka ny fifanoheran-kevitra raha minia miroso amin’io tsy misy fifampihainoana ny fanjakana sy ny CENI.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.