Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana amiko,
Ho antsika havako tsy ankanavaka,
Inona no teny mahafa-po anehoako sy izarako amintsika ny hafaliako nahatrarantsika izao taona vaovao izao? Mino aho fa avelan’I Rado mpanoratra hindrana ireto andalana enina ireto irariako soa ho anao. Hoy indrindra izy tamin’ny desambra 2007:
Taona vaovao
Tena irariana ny taona vaovao
Hitondra fifaliana ho an’ny fiainanao
Ampoizo koa anefa ny fisian’ny olana
Ohatra: hilefa na takona ny volana…
Ny manana finoana velona ao anaty
Anefa tsy mirona mandra-pahafaty.
Fiainam-baovao no misokatra ho antsika koa samia tahian’Andriamanitra.
Dr ROBINSON JEAN LOUIS, tsy manadino ny velirano nifanaovana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.