Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana

Navitrika aok’izany ny vahoakan’i Toamasina


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Nihaona tamin’ ny solontenan’ny tanora sy ny vehivavy ary ny mpampianatra tany Toamasina, renivohitry ny faritra

Atsinanana ny sabotsy 2 septambra lasa teo i Tahina Razafinjoelina mpitarika ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT) . « Faly sy ravo nihaona taminareo Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana faritra Atsinanana. Zava-dehibe ny nihaino ny solontenan'ny tanora, ny vehivavy ary ny mpampianatra. Niaraha-nahatsapa fa ny fanabeazana tokoa no lalana ahafahana mampandroso an'i Madagasikara. Ny fanabeazana hatao hampahalala ireo harena misy aty Atsinanana izay faritra feno ala sy ireo harena an-kibon'ny tany maro. », hoy izy .Voatery natao in-droa miantaona ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra satria tena maro be ireo olona tonga ka tsy tafiditra ny trano efa nomanina. Manantena aho fa tsy maintsy mbola hihaona amin’ny vahoakan’i Toamasina hoy i Tahina Razafinjoelina .Tsikarika fa nahaliana tokoa ireo nanatrika ny famelabelaran-kevitra natao sy ny valiteny nomena manoloana ireo ahiahy sy hetahetan’ny tsirairay. Tsotra, Marina, Mahomby ny antsika , misy Vina, avadika fandaharanasa ary tonga dia misy asa azo tsapain-tanana hoy ny mpitarika ny Firainsankinan’ny Tia Tanindrazana izay anisan’ny kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena moa. Tsapa fa manana zavatra matotra ingahirainy ary hita fa efa nahavita be tamin’ny asa nataony hatrizay ary mbola atokisana fa hahavita mismisy kokoa any aoriana , hoy ireo mpanatrika.
IVON-TOERAM-PIOFANANA NOMERIKA
Fa mialohan’io, tahaka ny tany Fianarantsoa, Ambositra, fandriana, Antsirabe dia nihaona tamin’ireo mpiara-dia aminy tao Ao Anjoma, izay misy ny ivon-toeram-piofanana nomerika ho an’ny FTT Toamasina i Tahina Razafinjoelina ny zoma 1 septambra. Misy solosaina maro izy ity ary mandray ireo tanora sy izay rehetra liana ka maniry hanovo fahalalana ary hifampizara ny vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny vovonana. Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana ny tenany dia nanamarika fa tsy asiana intsony izany "projet présidentiel" izany. Ny fanohizana ny fanatanterahana ireo vina no imasoantsika hampandrosoana ny isam-paritra avy , hoy izy. Tokony ho ampy hampandrosoana ny faritra ny tetibolam-panjakana misy amin’izao fotoana fa ilay fitsinjarana no mila atao matotra tsara.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT