Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana

“Melohinay ny herisetra, miantso ny Malagasy ho sahy hijoro”


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2023

Namoaka fanambarana manameloka amin’ny heriny manontolo ny herisetra tsy roa aman-tany natao

tamin’ny olom-pirenena na mpitarika politika na vahoaka tsotra ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na FTT, ka miantso ny tsy hanaovana fitaovana politika hiarovana olom-bitsy ny mpitandro filaminana. “Manoloana ny herisetra atao amin'ny vahoaka malagasy mandeha tanam-polo manao fitakiana am-pilaminana. Manoloana ny fandratrana filoham-pirenena teo aloha sy raiamandreny efa nitana andraikitra ambony teto amin'ny firenena. Manoloana ny fandratrana vehivavy mitondra vohoka. Manoloana ny fanohintohinana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy fandratrana mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany. Manoloana ny fanosihosehana ny demokrasia sy ny zo fototra haneho hevitra an-kalalahana. Manoloana ny fitanilàna amin'ny fanomezana alalana hamory vahoaka. Ny firaisankinan'ny Tia Tanindrazana dia manameloka tanteraka amin'ny heriny iray manontolo ny fanaparam-pahefana ataon'ny mpitondra fanjakana amin'izao fotoana. Manameloka ny fampiasana ny mpitandro filaminana indrindra fa ny zandarimariam-pirenena ho fitaovana politika ho fiarovana tombotsoan'olom-bitsy. Mampahery ireo mpiray tanindrazana niharan'ny herisetra sy naratra noho ny fahasahiana mijoro ho an'i Gasikara. Manamafy hatrany fa ilaina ny fifampidinihina amin-kitsim-po-po mba hikarohana vahaolana mety sy mahomby noho ny tombotsoa ambonin'ny firenena. Ety am-pamaranana dia mbola miantso hatrany ny olom-pirenena tsy ankanavaka ho sahy hijoro sy hitaky ny fahamarinana. Aza miandry fanovana fa isika izao ny Fanovana. "Miaraka vao mandresy fa tsy mandresy vao miaraka", hoy ny FTT tamin’ny alalan’ny Birao Nasionaly omaly 08 oktobra 2023;
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT