Efa manomboka miparitaka manerana ny faritra 23 eto amin'ny nosy ny foiben-toeran'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana (FTT).
Toerana ifampizarana vaovao momba ny FTT izy io no sady ivon-toeram-panofanana, misy solosaina maro sy efitrano fampiofanana nomerika mandray ireo tanora sy izay liana ka maniry hanovo fahalalana ary hifampizara ny vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny vovonana. Endrika maneho, fa efa mandeha ny fitsinjaram-pahefana sy fitaovana ary fahalalana ho an’ny olom-pirenena. Mivelatra amin’ny lafin-javatra maro mba hanasoavana ny mpiara-belona eo amin’ny lafiny fivelomana sy fihariana. Anisan'ny hanofanana ireo izay rehetra tonga ao ohatra ny mikasika ny fiompiana kisoa, akoho, trondro,... Tahaka izany ihany koa ny fambolena tsaramaso, fambolena vary amin'ny toerana tsara rano, fambolena amin'ny toerana ratsy rano, fambolena katsaka, fiompiana omby vavy be ronono, fanamboarana fromazy, fanamboarana “pâte jaune”, fanamboarana vinaigre de cidre,… Misy ihany koa ny fampianarana teny Anglisy isaky ny seha-pihariana, fa indrindra indrindra ny fampianarana “informatique bureautique” sy resaka “community manager” izay mahaliana tokoa ny tanora amin’izao fotoana. Marihana fa maimaimpoana ny fiofanana.
MIFANDRAY AMIN’IREO VINA IJOROAN’NY FTT
Mifandray tanteraka eto ireo Vina 3 ijoroan'ny Firaisankinanny Tia Tanindrazana izay tarihin'i Tahina Razafinjoelina dia ny fanabeazana, fitsinjaram-bolam-panjakana, sy ny momba ny Nomerika avokoa izany, ary mbola tsy eo amin’ny fitondrana dia efa niasa sy miasa, ary mbola hiasa mba tena ho soa ho an’ny mpiara-belona, hanosika azy hamorona harena fa tsy hanjono azy amin’ny tapi-maso sy zavatra tsy maharitra. Zaraina amin'ny mpiray tanindrazana isam-paritra ny zava-drehetra tsara ho fantany momba ny faritra misy azy, tohanana ara-pitaovana izy amin'izany ary efa miasa ny teknolojia. Mila mahalala ny taniny sy ny harena misy ao aminy ny Malagasy ary mila manana ny fahaizana hahafahana mitrandraka izany, araka ilay hoe: Fampianarana mitodika amin’I Madagasikara.
IREO EFA AHITANA FOIBEN-TOERAN’NY FTT
Manomboka mipetraka ireo Ivon-toerana, ary mitohy ny fametrahana izany, ka ireto no efa misy: BY PASS, Manakara, Vatomandry, Antsiranana, Toliara, Ambositra, Mahajanga, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa, Mananjary, Farafangana, Faratsiho, Ihosy, Fandriana, Maintirano, Antsalova, Morafenobe, Ambatomainty, Besalampy, Atsimo andrefana, Ambaniavaratra, Tsaratanana, Tsaratanana Sud, Maevatanana, Antsohihy, Soavinandriana, Vavatenina, Ambovombe, Ambatoboeny, Analalava, Mandritsara, Manjakandriana, Anjozorobe, Soanierana Ivongo, Ambanitsena, Bealanana, Port Bergé, Mampikony, Ambalavao, Befandriana Nord, Faravohitra, Ambohimanarina, Ivato, Ambohipo, Amparafaravola, Mahitsy, Ambohidratrimo, Ambatondrazaka, Manandriana, Kandreho, Ankazomanga, Ambatolampy, Fort dauphin
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.