Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana

Efa mampihatra ny fampandraisana andraikitra isam-paritra


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Toy ny tao Antsirabe, dia efa misokatra ihany koa ny foiben-toeran'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana any amin'ny faritra hafa toa an'i Fianarantsoa,

Ambositra, Fandrina, Amparafaravola, Mahajanga, Toamasina,...sns Misy solosaina maro sy efitrano fampiofanana nomerika izy ireo, mandray ireo tanora sy izay liana ka maniry hanovo fahalalana ary hifampizara ny vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny vovonana.Anisan’ny hanofanana ireo izay rehetra tonga ao ohatra ny mikasika ny fiompiana kisoa, akoho, trondro . Ny fambolena tsaramaso, fambolena vary amin' ny toerana tsara rano, fambolena amin'ny toerana ratsy rano, fambolena katsaka, fiompiana omby vavy be ronono, fanamboarana fromazy, fanamboarana pâte jaune , fanamboarana vinaigre de cidre,… Fa misy ihany koa ny fampianarana teny Anglisy isaky ny seha-pihariana. Tsy adino ny fampianarana informatique bureautique sy resaka community manager izay mahaliana tokoa ny tanora amin’izao fotoana. Marihana fa maimaimpoana ny fiofanana.
MILA MAHALALA NY TANINY SY NY HARENY NY MALAGASY
Mifandray tanteraka eto ireo vina 3 ijoroan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana izay tarihin’i Tahina Razafinjoelina dia ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana/fitsinjaram-bola, sy ny momba ny Nomerika. Zaraina amin’ny mpiray tanindrazana isam-paritra ny zava-drehetra tsara ho fantany momba ny faritra misy azy,tohanana ara-pitaovana izy amin’izany ary efa miasa ny teknolojia. Mila mahalala ny taniny sy ny harena misy ao aminy ny Malagasy ary mila manana ny fahaizana hahafahana mitrandraka izany.
FANOHIZANA NY AZA EFA NATOMBOKA
Tsy hoe fampanantenana fa fanohizana ny asa efa natomboka no ataon’ny firaisankinan’ny Tia Tanindrazana raha ireo zava-misy ireo ary efa tsinjo sahady ny fampandraisana andraikitra isam-paritra. Ny olona ao amin'ny faritra, miaina ao amin'io faritra io no tena mahalala ny zavamisy sy ny olana ao, manana ny hetahetany sy izay heveriny fa hamahana ny olana sy hampivoarana ny fiainany ihany koa izy. Miara-dalana amin'ny fitsinjaram-pahefana ny fitsinjarana fitaovana sy fahalalana ary traikefa.Izany no zavatra entin'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana hanampiana ny Malagasy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT