Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana

Andeha ho fantarina ireo foiben-toerana isam-paritra


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

10 andro taorian’ny nanambaran’i Tahina Razafinjoelina tao Fianarantsoa dia manomboka mitombo isa ireo olona

resy lahatra ary vonona ny hiaradia amin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT) . Hafa ilay fomba fotokevitra sy ny vina hoy izy ireo , hita fa resaka azo tanterahina tsara fa tsy fampanatenana poakaty na kabary atao mba hambaboana ny fom-bahoaka fotsiny.Noho izany indrindra no antony nametrahan’ny FTT foiben-toeran iasana isaky ny faritra. Taorian’ny fampahafantarana ny fisokafan’izy ireny dia manomboka tonga misoratra anarana sy mangataka fiaraha-miasa sy fifanohanana ny olom-pirenena. Ho an’ireo izay mila fanampim-panazavana ary dia ireto omena ireo ny lisitr’ireo foiben-toerana iasana ho an’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana any amin’ny faritra : SARY 1 - Antananarivo : Ankadindratombo Bypass - Fianarantsoa : Espace Sofia Ambalakosoa - Toamasina : Anjoma - Antsirabe : Tsarasaotra route d'Ambositra - Mahajanga : Ambalavato - Ambositra : Antapon'ny Vinany - Manakara : Antanakidy - Fandriana : Atsinanan-tsena - Farafangana : Tanambao - Mananjary : Tanambao - Ihosy : an-ampon-tanàna SARY 2 Tsara ho marihina fa fanombohana ihany fotsiny ireo fa tsy maintsy mbola ho avy ny any amin’ny faritra sy toerana hafa, ny tanjona ho an’ny FTT dia ny fahafahana mifanakalo hevitra, mifandray sy mifanampy amin’ny mpiray tanindrazana. Tsy maintsy misy ny fifandaminana atao ka hanana anjara andraikitra lehibe amin’izany ireo tompon’andraikitra isaky ny faritra sy ny distrika.
SARY 3
Nangonin’i RTT

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT