Firaisankinan’ny kandida

Mitohy manerana ny Nosy ny tolom-bahoaka !


  • Talata 21 Novambra 2023

Nanamafy ny Firaisankinan’ny kandida omaly 20 novambra, fa mitohy ny tolona izay efa notombok’izy ireo ho

an’ny Malagasy iray manontolo. « Efa fantatry ny besinimaro ny fangatahanay nataonay kandida hatramin’izay, fa amin’izao fotoana izao dia mbola miampy indray ny tsy fanekena io valim-pifidianana io izay ezahana atao amboletra ihany koa amin’izao fotoana izao », hoy ny kandida Hajo Andrianainarivelo nitondra tenin’izy ireo. Manentana ny vahoaka Malagasy tsirairay manerana an’i Madagasikara amin’izay andraikitra tokony horaisiny mba hanohizana io tolona io noho izany ny Firaisankinan’ny kandida. Naneho fa maro an’isa ny amin’ny fitadiavana ny fahamarinana sy ny hiverenan’ny tena fahaleovantenan’i Madagasikara. Manao antso ny hijoroan’ny vahoaka manerana an’i Madagasikara amin’ny fanohizana ny tolona noho izany izy ireo, izay nanamarika fa malalaka ny sehatra ary mitohy ny tolom-bahoaka ahafahan’ny vahoaka manohy sy maneho ny fomba hanohizana izany, hoy hatrany ny Firaisankinan’ny kandida. Nilaza ny kandida fa mbola eo akaikin’ny vahoaka hatrany ny kandida nitari-dàlana hatramin’izay amin’ny tolona izay hatao na isam-pokontany, na isaky ny kaominina, na isaky ny faritra ny endrika hitondrana azy mba hanatrarana ny tanjona dia ny hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra mba hisorohana ny krizy miverimberina fa indrindra mba ho tena Malagasy marina no hitondra an’i Madagasikara.
HAJAO NY LALAMPANORENANA SY NY FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA !
Betsaka ny olona voafitaka hoe tongava fa omena vola. Miantso ny olona mahatsapa ny fitaka satria mbola hitohy io fitaka io. Ireo olona tsy mandady harona no mbola fitahina, ka hanampy azy ireny ihany koa izahay, miantso azy ireny, hoy ny Kandida Marc Ravalomanana. « Tena tsy manaiky ny CENI izahay satria tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fikarakarana fifidianana. Efa porofo ireny kajy tsy mifanaraka mandeha amin’ny fahitalavitra ireny. Tsy manaiky ny HCC satria io no fositra miteraka ny tsy fifampatokisana,… », hoy hatrany io Filoha teo aloha io. Eo anatrehan’ny fandrahonana fisamborana samihafa kosa, nilaza ny kandida Hajo Andrianainarivelo fa ao anatin’ny lalàmpanorenana, dia mazava tsara fa malalaka ny fanehoan-kevitra. Nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena isika, ary ny lalàmpanorenantsika dia milaza fa ambony noho ny lalàmpanorenana ny sata iraisam-pirenena rehefa nosoniavintsika, hoy izy nanamafy. Noho izany, malalaka ny fanehoan-kevitra ka tsy azonay ilay hoe : rehefa tsy kandida dia atao an’izao sy izao, ka maninona no tsy samborina ihany koa ny vahoaka 30 tapitrisa. Mahalala ny lalàna avokoa na ny mpitandro ny filaminana, mpitsara,… hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo izay nampahatsiahy, fa voasakantsakana hatrany ireo kandida tamin’ny fanehoan-kevitra nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana, ka nilazany fa izay no isan’ny itolomana satria tsy azo ekena intsony ny tahaka izao. Tsara moa ny mampahatsiahy etsy andaniny, fa ny faran’ny herinandro teo, dia nisy ny fanambaran’ny Jeneraly Ravalomanana Richard Filoham-panjakana mpisolo toerana, izay nanome toromarika ny mpitandro filaminana handray fepetra eo anatrehan’ny mety ho fikasana hanohy ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 may, izay raha vantanina dia fandrahonana hisambotra. Tonga hatramin’ny toromarika hoe : olona 10 na 15 ve no manakorontana sy manakan-dàlana manelingelina anareo dia iandrasana ny mpitandro filaminana ?
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT