Firaisankinan’ny kandida

Hanohy ny tolona vao migadona ny 2024…


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Nandinika ny paik’ady hanohizana ny tolona manomboka ny fiandohan’ny volana Janoary ny

Firaisankinan’ny kandida. Tsy miova amin’ny foto-kevitra nijoroana sy ny zavatra notakiana izy ireo, raha ny tatitra. Manamafy ny fisokafana amin’ny lafin-kery rehetra amin’ny fanohizana ny tolona. Hanomana fihaonana ny Collectif des candidats sy ny Raiamandreny ara-drazana ary ireo lafin-kery mitovy foto-kevitra hijoroana, raha ny vaovao azo hatrany. Tsara ny mampahatsiahy, fa iray andro taorian’ny fianianan-dRajoelina teny Mahamasina, namoaka fanambarana nisy teboka 5 ny Firaisankinan’ny kandida. Nanamafy ny fitakiana ny fanajana ireo lalána velona rehetra sy ny fanatsarana ny tontolon'ny fifidianana amin'ny ankapobeny mba hisorohana ny krizy ateraky ny fifidianana. Nanamafy fa tsy feno ny fepetra notakiana dia tsy nandray anjara tamin'ny fampielezan-kevitra ary tsy mankatoa ny sarintsarim-pifidianana izay sady feno hosoka mibaribary. Antony tsy nanatrehana ny lanonam-pianianana ireo. Nampahatsiahy hatrany fa miady ho an'ny tany tan-dalana, ka izany no nametrahana ny volavolan-dalàna mikasika ny fifidianana teny amin'ny Antenimierampirenena, entina hanatsarána ny tontolon'ny fifidianana eto Madagasikara araka ny tolo-kevitr'ireo mpanara-maso ny fifidianana avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Nilaza mantsy ny Firaisankinan’ny kandida fa vonona hiatrika ny fifidianana rehetra rehefa mihatsara ny tontolom-pifidianana ary voahaja araka ny tokony ho izy avokoa ny lalána rehetra satria izay ihany no antoky ny fitoniana ho an'ny firenena iray. Ny tsy fahamarinan-toeran'ny mpitondra toy izao, hoy izy ireo, dia mitarika mankany amin'ny fikorontanan'ny fiarahamonina izay miseho amin'ny endriny maro, toy ny efa iainantsika amin'izao: mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, manjaka ny kolikoly, tsy misy ny fifampitokisana ka misakana ny fampivoarana ara-ekonomika sy ara-tsosialy rehetra. Ny teboka fahadimy farany kosa no nanehoan’izy ireo, fa tsy maintsy mitohy ny tolona ho an'ny demokrasia sy ny tany tan-dalana. Tamin’io no efa nanentanana hatrany ny olom-pirenena tsirairay avy hanara-maso akaiky ny zava-mitranga rehetra eto amin'ny firenena, indrindra ny zotram-pifidianana. Entanina isika hilaza ireo tsy mety rehetra satria zontsika feno izany, hoy ny Firaisankinan’ny kandida. Efa nanambara ny fitsanganan’ny rafitra handrindra ny tolom-bahoaka sy ny nanangana « cellule de crise » ihany koa izy ireo. Raha raisina amin’io, dia somary hafana indray izany ny toe-draharaha politika aorian’ny fety. Andrasana ihany koa ny ho fihetsiky ny ankilany satria efa karazan’ny nanao pi-maso ara-politika ihany Atoa Andry Rajoelina teny Mahamasina izay heverina fa mety hisy ny fanokafana ny governemanta amin’ny sasantsasany amin’ny mpanohitra. Nisy kandida mpikambana tamin’ny C11 iray tonga teny Mahamasina,… Hanao ahoana ny ho endriky ny fanoherana sy ny tolona ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT