Politique

Firaisankinan'ny tia tanindrazana


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Handia fotoan-tsarotra ny firenena ato ho ato, hoy ny praiminisitra, raha nandalo tao Morondava izy.

Ny ankamaroan'ireo fihariana na ny marimarina kokoa ireo orinasa malagasy mihitsy, na madinika io na salantsalany, eny, lehibe dia efa saika mikaikaika ho mandia izay fotoan-tsarotra izay avokoa. 5 taona lasa no efa nanomboka heno izany fitarainana izany saingy ankehitriny, hoy ireo mpisehatra sasany, dia vao mainka hila hampitomany. Saika milaza azy ho tratry ny fihenam-pamokarana avokoa ny sehatra misy, indrindra, ireo manana fiankinana betsaka amin'ity angovo avy amin'ny Jirama ity. Miha tara ny fandraisam-bolan'ireo mpiasa mbola afaka misitraka izany atao hoe asa izany. Miverina heno toy ny tamin'ny fotoanan'ny krizy ara-pahasalamana indray koa aza ny resaka fanenan'ny orinasa sasany ny karaman'ny mpiasany. Mirongatra, mazava ho azy, ny tsy fisian'asa. Mihena ny famokarana. Mitotongana ny toekarem-pirenena. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Hatramin'irony toerana fandraharaham-bola amin'ny alalan'ny finday na "cash point" irony aza efa mihorohoro andro aman'alina sao hisy hanafika ohatran'ny namany hafa indray. Mila fanavotana indray ny firenena! Mila ireo tena tia tanindrazana! Mila firaisankinan'ny tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT