Politique

Firaisamonim-pirenena “Tena mila havaozina ny lalàm-pifidianana”


  • Zoma 24 Martsa 2023

Nisy omaly 23 martsa 2023 ny fanambaran’ny fiarahamonim-pirenena (OSC) taorian’ny atrikasa fikatsaham-bahaolana mahomby mialohan’ny

fifidianana sy fampifandraisana ny OSC misehatra amin’ny fanarahamaso ny fifidianana ary ireo mpisehatra hafa. Taorian’ny dinika natao tao Antaninarenina ny nandritra ny 2 andro, izay nikaonan-doha mikasika ny toedraharaha mialohan’ny fifidianana ary ny fanaraha-maso ny fifidianana niaraka tamin’ireo mpisehatra samy hafa. Atrikasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa PARTICIPE izay mikendry indrindra ny « fandraisan’anjara mavitriky ny olom-pirenena amin’ny zotram-pifidianana mangaraharaha kokoa, andraisan’ny daholobe anjara ary tsy mitanila eto Madagasikara » io, tontosaina sy vatsian’ny Friedrich-Ebert-Stiftung Madagascar vola miaraka amin’ny Vondrona Eoropeana. Taorian’ny dinika, naneho ny ahiahiny amin’izao fiandohan’ny taom-pifidianana izay ilàna fandraisan’andraikitra haingana mba handrosoana amin’ny zotram-pifidianana ao anaty fangaraharana anjakan’ny rariny sy ao anaty fitoniana ny OSC. Mampatsiahy fa ilaina ny havaozina ny lalàna mifehy ny fifidianana (LORGER) mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera, indrindra ny mikasika ny fangaraharana sy ny loharanom-bolan’ny kandida ary ny famerana ny fandaniambolan’izy ireo amin’ny karazam-pifidianana rehetra ary mba hananan’ny Vaomiera misahana ny fanarahamaso ny famatsiambolan’ny antoko politika (CCFVP) sy ireo rafitra mpanaramaso sy mpanafay fahefana feno mba hisian’ny fitovian-jon’ny kandida rehetra mandritra ny vanim-potoanan’ny fifidianana ary ihany koa ny tsy hisian’ny fitanilan’ny fitondram-panjakana. Tokony ho ny karapanondrom-pirenena fotsiny ihany dia ampy hananan’ny olompirenena ny zony handatsa-bato,... Miantso ireo mpisehatra tsara sitrapo rehetra mba hiarahisalahy ho fampanjariana ny fitaizana ny vahoaka mikasika ny raharaham-pifidianana ka hifanome tanana amin’ny fanaraha-maso ny biraom-pifidianana manerana ny nosy amin’ny androm-pifidianana izy ireo, ary manao antso avo mba hisian’ny fandraisan’anjara fenon’ny daholo be,… Mangataka ny fanajana ny datim-pifidianana rehetra ihany koa ny OSC.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT