Politique

Fiovam-piainana Mijanona ho fanantenana ny hetsiky ny Depiote 73


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

8.600.000 hatramin’ny faran’ny herinandro teo no mpifidy voaisan’ny avy eo anivon’ny vaomiera misahana ny fifidianana na CENI,

raha ny fampitam-baovao voaray. Toy ny efa hita tamin’ny taona 2018 ihany mampametra-panontaniana maro indray ny zava-mitranga. Ho tratra ve na dia isana mpifidy na dia 10.000.000 isa fotsiny aza raha toa ka efa misasaka ankehitriny ny volana janoary? Tsiahivina fa mpifidy miisa 13.000.000 no tanjona ao anatin’izao fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izao, raha ny serasera novoizin’ny CENI hatrany. Hiverina indray ve ny ahiahy sy adihevitra momba ny lisitra abontsina miaraka amin’ny resaka kara-panondro sandoka miparitaka sy ny marika, mba tsy hilazana hoe tsy fahatomombanan’ny fifidianana izay efa nankaleo tao anatin’ny 50 taona teo izao? Hatramin’ny taona 2018, tamin’ny andron’ny depioten’ny fiovana na depiote 73 moa no navaozina indray ny fiandrandrana ny tena fiovana eto amin’ity firenena ity. Mijanona ho fanantenana fotsiny aloha izany hatreto ny fiovam-piainana nampanantenaina tamin’ny hetsiky ny depiote 73 isa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT