Tontosa tao anatin’ny fiaraha-mientana sy ny fiombonam-po ny fitokanana ny lalana Pr Zafy Albert teny Ivandry omaly.
Tsy ny fitokanana ny lalana androany no tena zava-dehibe fa ny fitokanana ny lalana mankany amin’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena izay nimatimatesan’ny Pr Zafy Albert raha ny nambaran’Atoa Tabera Andriamanantsoa, ao anatin’ny Komity mpikarakara. Hisy ihany koa ny tsangambato hatao eny Ambohitsorohitra, izay hatao tsangambaton’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena, izay homena ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fitokanana azy, raha toa ka ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana no nitokana ny lalana omaly. Mariky ny firaisankinan’ny Malagasy iny, ka faly mandray antsika Antananarivo Renivohitra satria soa iombonan’ny Malagasy amin’ny renivohitr’i Madagasikara izao, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Nisaotra ny rehetra namaly ny fanasana, indrindra ireo nifanome tanana sy ny nikarakara ny lanonana ny ben’ny tanàna. Tsy zohiana amintsika intsony fa olomanga teto ny Pr Zafy Albert. Efa Filohan’ny Repoblika, ary Profesora mpitsabo tena nahay, rain’ny fampihavanam-pirenena sy Rain’ny demokrasia, hoy izy. Nilaza kosa Atoa Zafy Richard zanaka faralahin’ny Pr Zafy Albert fa tsy tokony hohadinointsika fa nanao ny ainy tsy ho zavatra ny Raiamandreny Zafy Albert, tsy nitandro hasasarana, niaro ny zon’olombelona sy niady tamin’ny tsindrihazolena, nitaky hatrany ny fahamarinana, ary niady mafy amin’ny tsy hisian’ny elanelana be loatra amin’ny sarangan’ny mpanefoefo sy ny kely tsy mba mamindro. Izany no nahatonga azy ho rain’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena teto Madagasikara satria nandala ny tsy fahamarinana ka nametraka, izany ho satan’ny repoblika fahatelo. Rariny loatra, hoy io zanany io, raha hametraka fahatsiarovana ho azy eto Madagasikara, ka ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eny Ivandry, izay tsy foiny hatramin’ny fotoana farany nakan’Andriamanitra azy. Saika hita sy voasolo tena tetsy Ivandry avokoa ireo herivelona samihafa eto amin’ny firenena, eny fa na ireo mpifahavalo politika aza niray seza sy nifandray tànana naneho fiombonana. Ho fiombonana tao anatin’ny iray andro ihany sa mba hitohy? Ny filohan’ny antenimierandolohola Rivo Rakotoavao, minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Razafimahefa Tianarivelo, filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Jean Eric Rakotoarisoa,… no anisan’ny olom-panjakana nanome voninahitra ny lanonana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.