Politique

Fiomanana amin’ny fifidianana Efa misy mahazo manao famoriam-bahoaka kay!


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Isan’ny nampiady hevitra ary niteraka tsikera samihafa ny didim-pitondrana navoakan’ny Minisiteran’ny Atitany ny 31 martsa 2023,

mikasika ny tsy fahafahana manao famoriam-bahoaka ara-politika eny ankalamanjana mba ho fitandroana ny filaminana anatin’ny firenena. Hatramin’ny Sehatra iraisam-pirenena tahaka ny Vondrona Eoropeanina no nitondra fanakianana
Fihaonan'ny Tgv teto Atsimondrano natao an-kalamanjana fa tsy mifanaraka amin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy zo ara-politika na PIDCP (Pacte International Rélatif aux Droits Civils et Politiques) amin’ny andiny faha-21, izay miresaka ny fahalalana mivory am-pilaminana. Nanasonia an’io Madagasikara, ny taona 1971 ka nahatonga ny fampahatsiahivana sy tsikera nivaivay, saingy ny mpitondra dia maneho fa izy ireo no tena mahalala ny zava-misy, ary mahay mahamety ny fomba hitondrana ny firenena. Efa iny izany didy navoakan’ny Minisiteran’ny atitany, ary saika manaraka izany ny antoko samihafa. Ny olana anefa, miharihary ny fiangarana sy mizana tsindrian’ila. Rehefa ny antokon'ny mpitondra dia mahazo mamory olona an-kalamanjana dia malalaka sy afaka tena manao izay tiany. Anisan’izany ny famoriam-bahoakan’ny TGV teny Antananarivo Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo, izay tena afaka nanao izay tiany tanteraka, tsy misy sakantsakana. Ampahany iny, fa efa fahita matetika ny tahaka izany. Rehefa ireo sokajiana ho mpanohitra kosa dia anaty efitrano, kanefa mbola mandeha ny fanakantsakanana sy tsy fanomezan-dàlana avy amin’ireo solontenam-panjakana. Fifidianana madio eken'ny rehetra anefa no ambara fa hatao eto Madagasikara. Vao famoriana ireo mpikatroka anaty antoko na vovonana samihafa aza dia efa mandeha ny sakantsakana mivantana na ankolaka. Izao dia efa tsy hampitoviana ny herijikan’ny kandida, ka famoriana olona aza efa olana, mainka fa any amin’ny resaka fahalalahana samihafa. Izao dia efa hasarotina ohatra ny pitsopitsony amin’ny fahafahan’ny kandida mampiditra ny fitaovana hoentiny manatanteraka ny fampielezan-kevitra. Fifidianana madio sy sy malalaka ary mangarahara sy handraisan’ny rehetra anjara tokoa ve ilay tiana hatao eto?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT