Politique

Fiomanana amin’ny 2023 Amporisihina hangalatra sy hanao afera ny IRD ?


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Mihazakazaka manao vitesin’ny TGV ny afera maloto hafahafa hahenoana anaran’olona ao anaty fitondrana sy mpiara-dia amin’ny fitondrana.

Efa mahafaobe ny afera sy ny kolikoly na koa ny fitantanana tsy mangarahara, raha tarafina amin’ireny tatitry ny “cour des comptes” momba ny fitantanana ny volan’ny coronavirus 1818 miliara Ar ireny, ny tatitry ny Bianco momba ny kolikoly, ny tatitry ny mpitsirika ny volam-panjakana na ny IGE izay namoaka fa 51 miliara mahery voahodinkodina tao anatin’ny valo volana monja tamin’ity taona ity. Ampahany ireny, fa ny afera goavana mahavoarohirohy olona ambony toa miha mitombo andro aman’alina. Niainga tany amin’ny raharaha bonbons succettes, écrans plats, SMMC, ny fanjavonan’ny vola 5 tapitrisa dolara hanarenana ny fiaramanidin’ny Air Madagascar miisa roa, ny soliky ny jirama 64000L nanjavona, ny raharaha fanapohana solika, ny volamena 36kg nivadika ho korotam-by, governora efa nesorina voalaza fa nanodinkodina vola hatrany amin’ny 150 tapitrisa Ar mahery, governora am-perin’asa tratry ny ampamoaka noho ny resaka fahana findary 89 000 000, aferan-kazona depiote,… Manaratsy endrika ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ireny. Nahoana ary izy no tsy sahy mandray andraikitra sy fepetra manaisotra ireo olona be afera? Efa hifanaovana ny afera ka tsy mifampiteny sy tsy mifampitsabaka na nolazaina aza tamin’ny vao nahazo fahefana fa “tolérance zero” ho an’ny kolikoly sy fanodinkodinana volam-panjakana? Sa kosa efa kopaka hisasahana? Ny olon’ny fanoherana aza anefa facebook mampigadra! Mampanahy ihany koa ny resaka fandoavana ekolazy any amin’ny lehibe amin’ireny afera samihafa ireny,... Akaiky ny fifidianana, ka tombanana fa hanabeazam-boho ny antoko volomboasary ihany ireny afera goavana toa iniana hikipiana ireny. Tsy atao mahagaga avy eo rehefa tonga ny fifidianana, raha mirarakopana ny fizarana zavatra sy vola hoenti-mambabo ny mpifidy. Tena atao fafy katrana mihitsy satria vola tsy nisasarana firy, azo tamin’ny afera maloto,… Tsy hisy olona handeha hanao fafy katrana vola aman-karena amin’ny fifidianana izany, raha tsy misy tombony goavana katsahiny ao. Tsy atao mahagaga avy eo raha misy olon’antoko sahy milaza fa tokony homena fe-potoana hiasana efatra mihitsy ny lehiben’ny antokony amin’ny fitantanana ny firenena satria amin’izay mitohy malalaka ny afera avo lenta sy manara-penitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT