Nidina teny ifotony teny amin’ny fokontanin’i Soavimasoandro omaly maraina ny ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra,
Lalao Ravalomanana, notronin’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy, ny kestora fahatelo Guy Rivo Randrianarisoa niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny CARE, nijery ny zava-misy teny an- toerana. Teny Soavimasoandro dia nojerena manokana ny toerana fametrahana ireo traboina rehefa misy loza voajanahary miseho isan-taona. Amin’ity toerana ity no fantatra fa be traboina hatrany isak’izay loza mitranga fa mahatratra hatrany amin’ny 2000 mahery any foana izany. Eo amin’ny Tsena tsy vita fony PDS Rafalimanana hatrany moa no toerana hametrahana ireo tra-boina ireo tao ho ao. Tsena izay nahitana olana noho ny tsy fahampian’ny nenti-nanana sy ny olana manokana ara-tany. Nojeren’ny mpiara-dia koa teny an-toerana ny toeram-pidiovana na WC publique izay ratsy dia ratsy tokoa ka tena mila fanamboarana sy mba hotantanan’ny fokontany amin’izay, hoy ny filoham-pokontany. Nanambara koa ity farany fa olana mila vahana maika eny Soavimasoandro amin’izao fotoam-pahavaratra izao ny fanesarana ny fako miavosa na dia efa manao izay ho afany aza ny RF2 eny an-toerana. Marihana fa mponina miisa 26.609 no mipetraka ao amin’ny faritra 10 ao amin’ity fokontany ity ankehitriny. Nandalo vetivety tao amin’ny fokontanin’i Morarano koa avy eo ny delegasiona notarihan’ny ben’ny tanànan’Iarivo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.