Omaly tamin’ny 2 ora maraina vao vita ny fakàna am-bavany teny
anivon’ny zandarimaria ao Toliary ny filohan’ny antoko politika Otrikafo, Elia Rabevahiny, raha ny fampitàm-baovao voaray teo anivon’ity antoko ity omaly. Na dia teo aza ny fanenjehana dia navotsotra navela hody any an-tranony izy saingy mbola eo ambany fanaraha-maso ara-pitsaràna. Ho tohizana ny 12 aogositra izao ny fitsaràna azy, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray. Raha tsiahivina dia ny talata teo no voalaza fa nosamborin’ny zandary ao Toliara ity filohan’antoko izay mitarika ny hetsika fanoherana ny tetikasa Base Toliara ity. Nialohan’izay ihany koa no namoaka fanambaràna ny biraon’ny Otrikafo etsy Andravoahangy fa manahy ny amin’ny hisian’ny rà mandriaka ao amin’ny kaominin’Ankilimalinike sy ny manodidina izy ireo manoloana ny herisetra sy fisamborana samihafa atao amin’ireo mponina manohitra an’ity tetikasa ity.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.