Niaro ny fanapahan-keviny momba ny fanomezana ny fitantanana ny firenena ho an’ny governemanta ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Tonga tany aminay ny “lettre de renonciation”, izay nilaza fa tsy afaka handray an’io andraikitra io noho ny antony manokana. Tsy niantso na nanadihady izay antony ny HCC, ary tsy niditra tamin’izay. Tsy azonay terena, tsy azon’ny lalàmpanorenana ny olona izay mametra-pialàna amin’ny adidy izay omen’ny lalàmpanorenana”, hoy ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa. Inona no ho vokany raha hiteny ny HCC hoe: tsy maintsy ataonao io ary tsy fantatra izay ho fiantraikany amin’ny firenena raha olona tsy mazoto no hoterena? hoy izy. Ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra fa raha kandida ny filoha am-perin’asa dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no mandray ny toerany, ary raha kandida ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia ny governemanta no miara-mitantana. Nisy ny vahaolana fahatelo mba ialana amin’ny fahabangana tsy hidirana amin’ny tetezamita, dia noraisina ihany koa ny andininy faha-52 amin’ny lalàmpanorenana, izay tsy milaza fa kandida ny Filohan’ny Antenimierandoholona, fa hoe: raha misy tsy fahafahan’ny Filohan’ny antenimierandoholona, dia mitovy amin’ilay vahaolana any amin’ilay andininy faha-46 fa ny governemanta no mandray ny andraikitra amin’ny fitantanana ny firenena, hoy io filohana andrim-panjakana io. Ity tsy “empêchement” fa “renonciation”, hoy izy. Io izay nadikan’ny mpanao politika sy ny kandida sasany ho fanonganam-panjakana tamin’ny alalan’ny andrim-panjakana na “coup d’Etat institutionnel” ka anisany ny kandida Marc Ravalomanana, izay nandefa taratasy any amin’ny CENI niaraka amin’ny kandida hafa. Tokony tsy ho afaka hiasa ny Filohan’ny Antenimierandoholona, fa tsy hoe: “empêchement” any amin’ny hafa dia mbola afaka manao ny asany any amin’ny Antenimierandoholona, hoy ny fanehoan-kevitry ny kandida Jean Jacques-Ratsietison.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.