Filohan’ny HCC

« Mametraha fitoriana izay nahita tsy fanarahan-dalàna »


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Aoka hametraka fitoriana ireo nahita trangana tsy nanara-dalàna nandritra ny fifidianana”,

hoy ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly. Manao antso avo Atoa Rakotoarisoa Florent, mba hametrahana fitoriana miaraka amin’ny porofo raha nahita tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fotoam-pifidianana. Maro ireo, hoy izy, ireo milaza any anaty haino aman-jery samihafa fa nahitana tsy fanarahan-dalàna tamin'ny fifidianana izay notanterahina ny 16 novambra lasa teo. « Tsy afaka hitsara izahay anefa raha tsy misy ny fitoriana voaray» hoy io Filohan’ny HCC io. Ankoatra izay dia nametraka ny tatitra amin’ny ampahany ny fahitan’izy ireo ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara teny Ambohidahy ny solon-tenan’ireo vondrona mpanara-maso iraisam-pirenena omaly 22 novambra 2023. Ho dinihin’ireo mpikambana eo anivon’ity rafitra ity izany mba hoentina hanatsarana izay lesoka tanatin’ny fizotran’ny fifidianana, hoy ny setriny. Samy miandry izay tena hiseho ny rehetra, fa raha ireo tatitry ny fanaraha-maso aloha dia betsaka ireo lesoka sy tsy fanarahan-dalàna raha tsy hilaza afatsy ireo nambaran’ny Firaisamonim-pirenena. Mampanahy ny kolikolim-pifidianana avo lenta, ary heverina ho taratr’izany ny fisian’ny filaharam-be samihafa tahaka ny teny Ambohimangakely, Mahajanga, Ambohitrarahaba, Andohatapenaka,… izay misy vahoaka tonga mitaky vola ho sandan’ny latsa-bato raha ny filazan’izy ireo. Betsaka ihany koa ny fanamarihana sy tsikera nentin’ireo mpahay lalàna sy manam-pahaizana samihafa, saingy ireny niaraha-naheno ireny ihany koa ny setriny avy amin’ny Filohan’ny HCC fa misafidy ny hangina aloha izy amin’izao, fa ho sahirana ireo mpanivahiva ny Andrim-panjakana rehefa ny havany no misokatra eo. Samy miandry izay ho fizotry ny toe-draharaha isika fa raha ny fandaharam-potoana, dia ny 30 novambra izao no hamoaka ny valim-pifidianana ofisialy ny HCC, ary efa nisy ny fampahalalam-baovao nilaza fa kendrena hatao mialohan’ny faran’ny taona ny fihanianan’izay ho Filoha eo !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT