Mahay miasa aho ! », hoy ny Filohan’ny
HCC nihomehy, raha nipetraka ny fanotaniana hoe : ianao toa tsy mba voakitika mihitsy. Noterena na nosandaina vola. Ara-dalàna daholo ny zava-misy ao amin’ny HCC matoa aho sahy mijoro eto Anatrehanareo. Tamin’ny alatsinainy 15 jona, dia izao mihitsy no nandray ny taratasy fametraham-pialana. Nilaza ity farany, fa tsy misy olona voatery hiasa mandrakizay ao, ary ny lalàna mifehy ny HCC dia azo atao ny fametraham-pialana. Antony manokana no voalaza, fa nametrahan’izy ireo fialana, izay azy ireo manokana, fa ny hamafisina dia nisy fametraham-pialana, raha ny filazan’ny Filohan’ny HCC. Anjaran’ny Antenimierampirenena izay nosoloany tena no mifidy izay ho solony. Somary nanaitra ihany moa ilay tenin’ny Filohan’ny HCC toa nanao vazivazy zary tenany hoe : « mahay miasa aho ». Heverina fa anisan’ny olona toy ny paosiny ny HCC sy ny lalàmpanorenana ankehitriny ny tenany, anisan’ireo olona nitety vanim-potoana sy heverina ho nanao ny mafana sy ny mangatsiaka teto ihany koa. Efa voafidy ho mpikambana tao amin’ny HCC izy tamin’ny 1992–1996, 1996–2001 ary tamin’ny 2002. Alohan’ny niverenany tao amin’ny HCC dia nitana ny toeran’ny Procureur général tao amin’ny Fitsarana Ambony Toliara. Nandritra ny tetezamita, dia efa minisitry ny Atitany izy, ary nanao « intérim » tao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana tamin’izany fotoana izany. Izy no Filohan’ny komity fakan-kevitra namolavola ny tetikasa voalohany momba ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4. Efa Ambasadaoro tany Kanada,… . Tamin’ny 29 aprily 2021 dia voafidy ho Filohan’ny Haute Cour Constitutionnelle (HCC) i Florent Rakotoarisoa, taorian’ny fifidianana nataon’ireo mpiara-miasa aminy. Izy no isan’ireo olona roa voafidy avy amin’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara, ka nandimby an’i Jean-Eric Rakotoarisoa izay nifarana ny fe-potoam-piasany tamin’ny 12 martsa 2021. Azo lazaina ho nanao ny mafana sy ny mangatsiaka teto tao anatin’ny 5 taona farany ny tenany, raha tsy hilaza afatsy ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 2023 izay isan’ny adihevitra ny resaka zom-pirenen’i Andry Rajoelina izay voalaza fa efa very, saingy mbola afaka nirotsaka ihany. Ny HCC izay notarihiny indray taty aoriana no nampanao fihanianana ny Filohan’ny fanavaozana ny repoblika Kolonely Randrianirina Michael,… nentina nandaminana ny Firenena, ka tonga nanotrona izany ireo masoivoho vahiny ny 17 oktobra 2025.Tena hafa mihitsy ny fihodin’ny politika sy ny HCC izay sokajiana ho manana fahefana handamina na «pouvoir régulateur ». Ny irariana dia tsy hijanona fotsiny amin’ny resaka fanarotsaronana olana politika fa tena hijery ny tombotsoam-bahoaka…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.