Filohan’ny HCC

« Ho sahirana ireo mpanimbazimba anay…»


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Nilaza fa tsy maintsy hamaly ny fanakianana mahazo ny HCC

ny Filohany Atoa Florent Rakotoarisoa ny faran’ny herinandro teo. Naneho, fa tatitra amin’ny ampahany ihany fa mbola tsy feno ny tatitra ataon’ny mpanara-maso iraisam-pirenena, ka anisan’izany ny filazana fa ambany ny taham-pahavitrihana. Aleo, hoy izy, miandry ny tena voka-pifidianana vao tena mahalala ny tarehimarika feno. Ny fanakianana ny didy sy fanapahana noraisin’ny HCC, dia tsy ny mpanara-maso loatra no manao fanakianana mamaivay izany, fa isika samy Malagasy ihany, raha ny nambarany. « Ao ireo milaza ho mahay lalàna, ireo mpitsara, mpisolovava, profesora, ary ny lehibena andrim-panjakana ihany koa aza, fa noho ny mbola filàna fitoniana ho an’ny firenena dia mbola tsy hamaly an’ireny aho, fa misy fotoana hanginana, misy fotoana hitenenana », hoy hatrany i Florent Rakotoarisoa. Nambarany fa miandry ny valim-pifidianana farany. «Fa raha ny tenako amin’ny maha Filohan’ny HCC sy amin’ny maha olom-pirenena, maheno an’ireny fanivativana sy famingavingana atao amin’ny HCC ireny dia manana hotenina tokoa, ary ho gaga sy ho sahirana ireo mpanimbazimba sy milaza anay ho tsy mahay n’inona n’inona rehefa hisokatra ity vavako ity indray andro any fa izao isika aloha mbola mila fitoniana», hoy hatrany i Florent Rakotoarisoa. Somary manaitra ihany io fehezan-teniny farany io. Efa karazany setriny ankolaka eo anatrehan’ny kiana mivaivay mahazo ny HCC io, ary toa maneho fa tsy misy ny lesoka ho azy ireo. Karazana fandrahonana ve ny filazana hoe : ho sahirana ireo mpanimbazimba ? Betsaka ny fanakianana ny HCC ho mandika lalàna, tsy azo antoka, mitanila, miray tsikombakomba ara-politika,… Isan’ny nahazoan’ny HCC kiana mivaivay ny fanapahana nanomezana fahefana ny governemanta miara-mitantana, ny fanomezana fahefana indray ny Filohan’ny Antenimierandoholona iray hafa tato aoriana rehefa naongana ilay iray izay nilaza fa norahonana tsy handray fahefana, ny fitsipahana ambavafo ireo fitoriana mikasika ny kandida Rajoelina,… Isan’ny nitondra fanakianana mivaivay ho an’ny HCC ny Profesora Raymond Ranjeva, manam-pahaizana fanta-daza amin’ny sehatry ny lalàna, efa mpitsara tany amin’ny tribonaly iraisam-pirenena. Ity farany izay naneho fa ny HCC mihitsy no isan’ny manakorontana ny firenena, ary ny fanapahana raisin’ireo rafitra napetraky ny HCC hitantana ny firenena dia tsy araka ny lalàmpanorenana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT