Politique

Filohan’ny CENI Voatonona tamin’ny fanentanana ny kongresin’ny TGV


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Voatonontonona ho isan’ireo hiatrika ny Kongresim-paritry ny TGV notanterahina tao Farafangana ny 21 desambra 2022 ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana,

izay nampiteraka adihevitra hoe : ahoana ny tsy fitanilan’ny CENI ao anatin’izany ? Isan’ny nilaza sy nanaparitaka an’io Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Nitondra valin-kafatra avy hatrany ny Minisitra Gisèle Ranampy. « Mme Fanirisoa Ernaivo, tsy mba mpamaly « commentaire » na « publication »-nao hatramin’izay nniainako aho, fa amin’ity kosa dia asehoy eto amin’ity tambazotra ity, fa any Farafangana izany olona resahinao izany na ny tenako izaho ity. Aza zatra miaina amin’ny lainga sy ny fahamanana laina fa mipetraha amin’ny toerana raha mihevitra ny tenanao olom-banona sy manam-panahy sy manam-pahaizana ianao, aza zarina amin’nyy photoshop ihany koa ny vahoaka fa mampalahelo. Eto Antananarivo soa aman-tsara ny tenako sy izany olona resahinao izany… », hoy izy. Voalaza tao anatin’ny antso fanentanana na “annonce” momba an’io hetsika io tokoa ny anaran’ny minisitra mivady, ny vadiny izay Atoa Dama Andrianarisedo Filohan’ny CENI. Kongresin’ny TGV ho an’ireo Distrika 5 ao anatin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, izay teo ambany fiahian’ny Birao nasionaly TGV tarihin-dRtoa Christine Razanamahasoa, ary voatonona tao ny hoe: “….Atrehin’Andriamatoa sy Ramatoa Dama Ranampy Marie Gisèle”Minisitry ny asam-panjakana, mpiahy ny faritra Atsimo Atsinanana,…”. Raha raisina amin’io filazana io, dia ny Minisitra mivady tokoa aloha izany no voaresaka. “Nilaza ramatoa ministre Ranampy Gisele fa tsy any Farafangana ny vadiny Filohan’ny CENI, ka dia asaintsika an-tanandroa izy hitory ny mpikarakara ny Kongresin’ny TGV any fa mpanely tsaho sy mpanakorontana saim-bahoaka amin’ny vaovao tsy marina satria ry zareo no nilaza sy nandefa tamin’ny haino aman-jery fa hanatrika izany Kongresin’ny TGV izany Ramatoa sy Andriamatoa DAMA Ranampy Marie Gisèle”, hoy ny andaniny. Taiza ny fahadisoana? Iza no nanao tsirambina? Tsy nierana ve ny fampidirana ny anaran’izy ireo sa nandeha ny kiana samihafa vao nihemotra? Matetika ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo fa ny lalàna tsy ananan-kavana, saingy tsy mahasakana ny olona tsy hitsikera, indrindra fa ireo avy amin’ny mpanohitra ny maha vadina minisitra ao anatin’ny Fanjakana Rajoelina azy. Mainka fa nipoitra ihany koa itony zavatra itony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT