Politique

Filohan’ny antoko Natiora « Miverina mampitahotra indray ilay Sefo CISCO Soavinandriana »


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Nampahafantatra omaly ny avy eo anivon’ny antoko politika Natiora fa rehefa natao ny fifampiresahana tao amin’ny PAC momba ny raharaha sefo CISCO Soavinandriana dia nahazo ny fanaraha-mason’ny fitsarana na “sous contrôle judiciaire” ity sefo cisco ity.

Ny dikan’izany dia tsy maintsy misy foana ny fotoana voalazan’ny fitsarana hanaovana ny antsoina hoe fanamarinam-pahatongavana na “pointage”, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Nametraka koa ny tenako tamin’izany hoe aoka atsahatra ny fampitahorana na fihantsiana. Nanao fanoherana na “opposition” ilay “sous contrôle judiciaire” aho. Vita ny “opposition” dia nanontany ny tena dia hoe nitokona ny vaditany eto Madagasikara ny novambra-desambra teo. Na tany amin’ny Bianco aza rehefa nandalo tany aho dia efa nivoaka ny taratasy hoe ato ny didy fampisamborana na MD an’ilay zalahy io izay efa tamin’ny volana aogositra. Efa tany izahay hoy ry zareo fa tsy hita izy fa hoe mararin’ny COVID. Gaga aho satria efa tsy tokony hitana ny toerana maha sefo CISCO azy intsony izy io. Amin’izao anefa izy dia miverina miasa manao fampitahorana izay rehetra vavolombelona. Matoa tonga tany amin’ny PAC sy Bianco ny dosie dia nisy resaka kolikoly tao. Ny 6 martsa izao no fitsarana azy raha ny taratasy voaraiko. Ny mampalahelo sy mampatahotra anefa dia miverina miasa ilay zalahy io ary mampitahotra. Ny tenako izay filohan’ny antoko Natiora moa no mpitory satria adidin’ny antoko politika ny manabe ny olompirenena. Ao anatin’ny fotokevitray ny hoe mahaolona sy vahoaka misitraka feno ny zony, hoy hatrany ny tenany. Miantso ny fandraisana andraikitry ny manam-pahefana mikasika ity raharaha ity, noho izany, ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny antoko politika Natiora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT