Filohan’ny antenimierandoholona

Nivory niaraka tamin’ireo kandida mpanohitra


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Hita nivory niaraka tamin’ireo kandida mpanohitra ny firotsahan-kofidian’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina,

omaly ny filohan’ny antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa. Ity farany izay nambara fa nandà tsy handray ny toerana maha filoham-pirenena mpisolo toerana taorian’ny fahabangan’izay toeran’ny filoham-pirenena izay nanomboka ny 9 septambra teo. Ny kandida ho filoham-pirenena, Andry Rajoelina, moa nanazava fa tsy zakan’ity filohan’ny antenimieran-doholona ity ny mitarika filankevitry ny minisitra na governemanta. Tena izay tokoa ve? Andrasana moa ny antsipirian’ity fihaonan’ny filoha Herimanana Razafimahefa tamin’izy 10 mirahalahy omaly ity ary inoana fa hipoitra tsy ho ela ny tena marina amin’izao raharaha izao. Tsy nisy nipika hatry ny omaly ny resaka nifanaovany tamin’ireo kandida. Nisy kosa ny fanambarana an-taratasy nataony izay tsy dia hita taratra tao ny firesahany an’io. “Manoloana ny resabe iniana aparitaka amin'izao fotoana izao, dia raisiko adidy ny manao ity fanambarana manaraka ity: Ny datin'ny 08 Septambra 2023 dia nandefa taratasy teo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana tokoa ny tenako nanambara fa tsy afaka hiantsoroka ny andraikitra maha-filoham-panjakana mpisolo toerana aho noho ny antony manokana. Tsy ilaina ny krizy politika sy ny fanakorontanana iniana volena eto amin'ny Firenena. Miantso ireo kandida sy ny mpanao politika Malagasy rehetra mba hijery ny tombontsoa ambonin'ny Firenena mandrakariva, hifantoka tanteraka amin'ny fifidianana fa tsy sanatria hamorona korontana, tsy hitondra voka-tsoa velively ho an'i Madagasikara. Miantso ny vahoaka Malagasy ihany koa mba ho tony mandrakariva ary tsy hiroroa saina fa hizotra am-pilaminana amin'izay fiatrehana ny fifidianana izay mba hamaritana izay hitondra ny firenentsika ao anatin'ny 5 taona manaraka indray”, hoy Atoa Herimanana Razafimahefa.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT