Filohan’ny Antenimierampirenena

« Tena fotoana hifanatonana an-databatra boribory izao »


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Nivahiny tao anatin’ny fandaharana Angaredona manokana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Christine

Razanamahasoa ny andron’ny omaly. Amin’ny maha vehivavy, amin’ny maha renim-pianankaviana, amin’ny maha mpitolona,… dia naneho hevitra teo anatrehan’ny fodiamandrin’ny mpanakanto sady mpanao politika Ninie Donia ny tenany. « Tena nijoro mandrakariva niady ho an’ny fahamarinana izy,… Tsy nihemotra tamin’ny fampihorohoroana fa tena nijoro. Tsy mitsanga-menatra ianareo fianakaviany satria vehivavy mahery fo izy », hoy ity Filohana andrim-panjakana ity. Nitondra fankaherezana ho an’ny fianankaviany izay nilaozany, indrindra ny zanany, ny fianakaviana akaiky azy manontolo, ny taranaka Zafiny Fotsy izay manana ny maha izy azy,… noho izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Momba ny raharaham-pirenena, nilaza ity Filohana Andrim-panjakana ity, fa fotoanan’ny fifanatonana izao fa tsy hifandrafesana, fotoanan’ny fifamelana sy fifankatiavana, ka izay rehetra mitady ny fisaraham-bazana dia tsy fotoan’izany intsony izao, hoy izy. « Tokony hatsahatra ny fifandrafesana, fa mifanatona an-databatra boribory, mila mifandray tànana hanarina ny firenena,... Ny fihavanana no tanjona satria kolontsaina tena mampiavaka antsika », hoy hatrany ny PAN. Tsara ny manamarika, fa ny herinandro lasa teo dia nandeha ny feo amin’ny mety hanonganana an-dRtoa Christine Razanamahasoa noho izay nosokajiana ho mitarika vovonana mpanohitra eo anatrehan’ny finiavana nananany niaraka tamin’ny FFKM nipetraka ho Raiamandreny hanalenelana hitondrana vahaolana eo anatrehan’ny krizy politika lalovan’ny Firenena. Hanao ahoana ny setriny eo anatrehan’ny antso avo nataony izay namaly an-kitsim-po ny tenany raha nasain’ireo haino aman-jery azo sokajiana ho aty amin’ny ankolafin’ny mpanohitra omaly alina iny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT