Politique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»


  • Zoma 19 Jolay 2019

Omaly no notontosaina ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine sy ny teo aloha Jean Max Rakotomamonjy.

 

 

Nandritra ny kabary nifandimbiasana no nanambaran’ny vaovao ny finiavany hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fangaraharana sy fahaizana mitantana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Tsy hisy intsony ny gaboraraka, hoy izy fa hampafantarina ny rehetra na ny fandaniana na ny fampiasam-bola na ny fitaovana na ny vola miditra eo amin’ity andrim-panjakana ity. Raharaham-bahoaka no ato fa tsy raharahan‘olom-bitsy. Na fanomezana tolotr asa aza dia tsy maintsy mandeha amin’ny lalana marina. Manantena izy fa hanampy azy amin’ny ezaka ataony ireo solombavambahoaka sy ny mpiasan’ny Antenimiera. Samy tompon’andraikitra amin’ny fampandehanana ny raharaha, hoy ihany izy. Nanamafy i Christine Razanamahasoa fa ny vahoaka no mametraka ireo solombavambahoaka miisa 151 ireo ka vonona kosa hamaly ny hetahetam-bahoaka ary fanatsarana ny fiainany. Ankoatra izay dia nampatsiahiviny ny adidy manoloana ireo depiote tsy mbola afaka niasa. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no tompon’ny teny farany mahakasika izany. Efa voafidy tokoa ny birao maharitra ka mandefa taratasy any amin’ny HCC mangataka sy manazava fa tsy mbola tafapetraka ireo depiote tompon-toerana araka ny didim-pitsarana nivoaka satria adidin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena izany. Andrasana anio ny fifidianana ireo asam-baomiera eo anivon’ity andrim-panjakana ity. Encadré: Raha nanontaniana i Christine Razanamahasoa mahakasika ny fihetsem-pony nandritra ilay famindram-pahefana omaly, satria ny taona 2014, i Jean Max Rakotomamonjy no nandimby azy noho ny fanonganana azy, dia nilaza izy fa niniana mihitsy mba tsy nanao teny hisy fanafintohinana. Azo natao anie ny hoe niverina tsy an-katerena ny lakile, hoy izy ka fandresena izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT