Politique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena Mila fahaiza-manao sy traikefa maro lafy


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Misy anarana maromaro voatonona hiandraikitra ny toeran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena izay hivory ny talata ho avy izao hifidy indrindra io filoha io sy hametraka ny vaomieran’asa.

 

 Ny fitantanana ny Antenimieram-pirenena dia mila olona nanaraka fianarana avo lenta ho fitandroana toy ny anakandriamaso ny tombontsoan’ny mpifidy, ny an’ny mpandraharaha sy ny an’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna. Ilain’ny ho filohan’ny Antenimieram-pirenena ihany koa ny traikefa matanjaka eo amin’ny sehatra tsy miankina. Mamorona harena sy asa ity sehatra ity ary fanoitra iadiana amin’ny fahantrana. Ka raha tsy mamaly ny filàny sy ny fampandrosoana azy ny lalàna, dia hijanona ho firenena mahantra hatrany i Madagasikara. Izay no ilana filohan’ny Antenimieram-pirenena mahalala tsara ny olana sy izay azo trandrahana eo amin’ny sehatra tsy miankina. Ary manoloana ny Vinan’ny fitondrana izay mifototra amin’ny IEM, anisan’ny laharam-pahamehana ny angovo azo havaozina. Tokony hanana fijery mifanaraka amin’izany ny filohan’ny Antenimieram-pirenena mba hanaovana lalàna mifanaraka amin’ny fampandrosoana io sehatra io (ao ny etona azo avy amin’ny fanodinana ny fary, ny angovo azo avy amin’ny masoandro…) Sehatra mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana sehatra maro hafa ny angovo (indostria, harena ankibon’ny tany, fambolena sy fiompiana, varotra, fampianarana…) Ny politika vaovaon’ny angovo novolavolaina nanomboka tamin’ny 2014 ary ampiharina amin’izao fotoana izao no rafitra ipetrahan’ireo asa maro lafy efa eo am-panatanterahana azy. Raha tsorina, afaka ny hanatsara ny endriny sy handray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny Antenimieram-pirenena, raha manana filoha maharaka tsara ny zava-misy ara-tsosialy sy ara-toekarena misy eto amin’ny firenena.          

 

Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT