Politique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena “Firenena anaty krizy no ilàna fikaonandoha”


  • Alarobia 19 Oktobra 2022

Tahaka ireo olon’ny fitondrana maro, nilaza ihany koa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, fa tsy firenena anaty krizy isika ka tsy ilaina ny fikaonandoham-pirenena.

Firenena mandalo krizy amin’ny fitantanana sy mandalo krizy no mila fikaonandoham-pirenena hijerena ny marimaritra iraisana. Tsy izany anefa no misy eto, hoy izy. Ekena fa misy ny tsy fitovian-kevitra miteraka lonilony kanefa aminy dia efa akaiky ny fifidianana, ka ny fiomanana amin’izany no tokony hatao. Tena mbola sahy miteny hatrany ny olon’ny fitondrana fa tsy misy krizy eto! Fomba fanao ny fifanatonana eo amin’ny mpitondra sy ny mpitarika ny fanoherana. Manoloana ny lonilony, misy alahelo eo amin’ny firehana. Hitazam-potsiny ve ny solombavambahoaka manoloana ny lonilony misy eo amin’ny mpanao politika, fahefana mpanatanteraka, sy ny mmpitarika ary ny mpitondra, manoloana ny hetahetam-bahoaka, hoy izy tetsy ankilany. Nanome toky ny Filoha am-perinasa, ary nampahery azy Rtoa Christine Razanamahasoa. “Mbola eto izahay hanohana ny ezaka ataonao. Mahatokisa ary mirary soa anao, hahatafita ny fanolorana ny PEM”, hoy ity Filohana andrim-panjakana sady mpikatroka IRD mafana fo ity. Nandrisika ny Vaomiera misahana ny fifidianana (CENI) hiroso hatrany amin’ny ataony moa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Nilaza fa fepetra takiana ny fametrahana ny fitoniana ny fifidianana. “Tokony hatsahatra ny fihantsiana rehetra sy ny fivoizana hevitra mifanohitra amin’izany. Ny lalàna manan-kery no mibaiko ny CENI amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana araka ny lalàna2018-008 mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Misy ny lalàna mamaritra ny fanavaozana isan-taona, ka inona intsony no iadian-kevitra raha mbola firenena tan-dalàna isika? Singa iray lehibe ho fandavorariana ny fifidianana ny fanaovazana ny lisitra, fanomezana karapanondro sy sora-piankohonana ka tsy tokony handray vilana handotoana ny saim-bahoaka”, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Namporisika ny CENI hanefa ny asany, ary niantso an’ireo hanohy ny diany, na iaraha-mahalala aza ny tsy fahatokisana miseho amin’ny endriny maro mialohan’ny fifidianana, ka isan’izany ny lisi-pifidianana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT