Manomboka miahiahy amin’ny fomba famoahan’ny CENI-T ny voka-pifidianana filoham-pirenena ny maro ankehitriny, vao mainka mitombo izay ahiahy izay taorian’ny nandrenesana fa tratry ny tsindry ihany koa ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana mba hanasongadina ny voka-pifidianana tamin’ireo toerana andresen’ny kandida Hery Rajaonarimampianina. Nanampy trotraka izany ny tsy namelana ireo mpanaramaso ny fifidianana hiditra tao amin’ny efitra fikirakirana vokatra teny Alarobia omaly misandratr’andro. Ao moa ireo milaza fa tsy misy hirika hanodinkodinana voka-pifidianana ao amin’ny CENI-T saingy tsy vitsy ihany koa no mampahatsiahy fa mpinamana sady mpiara-miasa akaiky ny filohan’ny CENI-T ankehitriny sy i Hery Rajaonarimampianina, koa miahiahy sao mba valimbabena ho an’ny kandidan’ny Hery Vaovao ary izao fanasongadinana an’ity farany izao amin’ny alalan’ny famoahana voka-pifidianana ?
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.