Politique

Filohan` ny Antenimieram-pirenena Manao an-kisisika ny IRD sy ny MMM


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Misy anarana maromaro voatonona hiandraikitra ny toeran’ny filohan’ny Antenimierampirenena izay hivory ny talata ho avy izao hifidy indrindra io filoha io sy hametraka ny vaomieran’asa

 

 

 

. Ny sabotsy lasa teo mantsy dia niroso tamin` ny fivoriana manokana ny vondrondra IRD ka ny anarana nivoaka tamin` izany dia Jean Jacques Rabenirina (MMM), Fienena Richard izay voafidy tany Manja, Irmah Naharimamy (IRD) voafidy tao Toamasina i ary Christine Razanamahasoa (IRD) voafidy tany Ambatofinandrahina. Niatrika ny atao hoe “entretien” izy ireo ny faran` ny herinandro lasa teo. Anio alatsinainy kosa no fantatra fa hahazo toromarika ny vondrona IRD amin` ny fiatrehana ny fifidianana ny birao maharitra. Ny fitantana ny Antenimieram-pirenena dia mila olona nanaraka fianarana avo lenta ho fitandroana toy ny anakandriamaso ny tombontsoan’ny mpifidy, ny an’ny mpandraharaha sy ny an’ny fanjakana, amin’ny alalàn’ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna. Noho izany, anisan’ny ilain’ny filohan’ity andrim-panjakana ity ny fahaizana sy traikefa mikasika ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny lalàna.Raha raisina amin’ireo anarana voatonona etsy ambony ireo dia solombavambahoaka nivoaka avy ao amin’ny IRD na avy amin’ny Malagasy Miara-Miainga (MMM) antokon’i Hajo Andrianainarivelo no tsy maintsy ho filohan’ny antenimieram-pirenena ary efa mandeha mafy dia mafy ny fifandresen-dahatra any ambadimbadika any, efa ho herinandro teo izay.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT