Nandao mangingina an’i Madagasikara ny alakamisy hariva teo filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny fianakaviany.
Niparitaka ny sary maneho azy mivady miampy ny zanany, arahina andiana mpiambina miaraka amin’ny entany, toa hendratrendratra be ihany teny Ivato. Re fa nihazo an’i Maorisy tamin’ny alalan’ny sidin’ny Air Mauritius, avy eo nisidina namonjy an’i Paris renivohitr’i Lafrantsa ry zareo. Niparitaka ny resaka taorian’izay fa nitsoaka ny filoha sy ny vady aman-janany noho ny savorovo politika misy amin’izao fotoana izao. Nikorapaka kosa ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika rehefa nivoaka io resaka io, ka taorian’izay vao nanao serasera milaza fa namita iraka any ampitan-dranomasina nanomboka ny alakamisy 19 ka hatramin’ny rahampitso alahady 22 aprily ny filoham-pirenena ary nandray zotram-piaramanidina tsotra, mazava ho azy niaraka tamin’ny mpandeha hafa; tsy voalaza mazava kosa anefa hoe inona sy aiza marina ilay iraka. Ary moa ve tsy maintsy miaraka amin’ny vady aman-janany ny filoha rehefa mamita iraka any ivelany? Nambara tao anatin’io serasera io fa fanapariahana vaovao tsy marina ny filazana fa lasa nandositra ny filoha. Fifandrifian-javatra ihany ve izany ny zava-misy satria ao anatin’ny fotoana mafana sy mivaivay no ahitana ny filoha sy fianakaviany mandeha an-tsokosoko any ampitan-dranomasina? Efa mandeha ny resabe izay vao mikoropaka mamono afo. Fitenin’ny vahiny foana ny hoe rehefa mitondra, dia mijery lavitra sy mitsinjo izay zavatra mety hiseho, saingy ny antsika kosa rehefa mandeha ny kiana noho ny tsy fahaiza-miasa vao mikoropaka. Ahoana moa ny olom-pirenena no tsy ho lasa saina hoe nahoana no anaty toe-draharaha politika mivaivay ny filoha sy ny fianakaviany no mandao tampoka ny firenena? Ao raha!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.