Filoham-pirenena Rajoelina

Hisesy indray ny dia any an-dafy na tsy misy vokany aza…


  • Zoma 24 Mey 2024

Hirarakopana indray atsy ho atsy ny fivoahana any ivelany ataon’ny Filoham-pirenena

na koa ny olom-panjakana ambony. Hiazo an’i an’i Comores hiatrika ny lanonam-pianianan’ny Filohany Azali Assoumani any Moroni ny 26 mey, ka ny Filoha Rajoelina mivantana no hitarika ny delegasionina. Lazaina fa tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta, toy ny lafiny fiovaovan’ny toe-draharaha ara-jeopolitika maneran-tany, ka ilazana fa zava-dehibe ny fitazonana sy fampiroboroboana ny firaisankina. Karazana anteron-kalao tamin’ny nanatrehan’i Azali Assoumani ny fianianan-dRajoelina ny 16 desambra 2023 ihany koa moa io. Avy mamaramparana propagandy izany dia hiazo an’i Comores sa hiverina ny androtr’io ihany satria raha ny ao anatin’ilay tetiandrom-pitetezam-paritra tafaporitsaka dia hiazo an’iny tapany Atsinanana iny toa an’i Toamasina sy Ambatondrazaka ny 27 mey? Aorian’izay, dia handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony Corée- Afrique ny 04-05 jona any Séoul. Hifanakalozana amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblika n’i Korea sy ireo Firenena Afrikanina. Filoham-pirenena sy mpitondra firenena manodidina ny 30 no voalaza fa hiatrika an’io, ka tsy manaiky ho tara ny Filoha Malagasy sy ny ekipany, fa dia handeha ho any hitarika delegasionina. Toy ny fandre isaky ny fivoahana, dia voaresaka hatrany ny hoe : anisan’ny fandaharam-potoana ny fihaonana mikasika fandraharahana, fampiasam-bola, fiaraha-miasa, ka amin’ity dia nambara fa handray anjara amin’ny « sommet des affaires » ny solontenam-panjakana, ny manam-pahaizana ara-toekerana, ary ireo mpandraharaha. Nisy ihany koa ny fankatoavana momba ny fivoriana an-dohataonan’ny Fihaonamben’i Paris momba ny fandriampahalemana ny 09-10 jona 2024 any Benguérir Maroc. Asa na ny mbola ho any koa ny Filoham-pirenena na iraka no ho halefa ? Fihaonana misantatra ny fihaonana an-tampony kasaina hatao ny novambra 2024 any Paris io. Miompana amin’ny lohahevitra mikasika ny famatsiam-bola momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ; rafitra ara-tsakafo lovain-jafy ; fizarana ara-drariny ny tombotsoa ara-pahasalamana maneran-tany sy ny fisorohana ny areti-mifindra ; ary firosoana makany amin’ny angovo aza havaozina no lohahevitra amin’io, ka efa mandeha sahady ny serasera fa tena mifanaraka amin’ny politika ankampoben’ny Fanjakana. Betsaka izay fivoahana ny firenena izay, tsy tara mihitsy vao misy resaka famatsiam-bola, mandeha ny serasera fa atokisan’ny mpiara-miombon’antoka, atao fitaovana ny firesahana sy fiaraha-maka sary amin’ny tompon’andraikitra ambony iraisam-pirenena samihafa,… Hatreto anefa, tsy hita izay tena vokatra, betsaka ny kiana iraisam-pirenena azo, mena ny tondro amin’ny lafiny maro toy ny resaka tsy fanjarian-tsakafo, hanoanana, fahantrana izay efa ny 80,7% ny Malagasy fadiranovana, ny resaka angovo,… Rehefa sempotsembotry ny rivotra politika eto dia mba mandeha mamonjimonjy fivorivoriana any ivelany, izay ny fandraisana anjara aloha no tena zava-dehibe amin’ny ankampobeny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT