Filoha Randrianirina Michael

« Misokatra amin’ny rehetra i Madagasikara ! »


  • Alakamisy 27 Novambra 2025

Nanazava bebe kokoa momba ny ny

toerany ara-diplomatika ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Kolonely Michaël Randrianirina, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Naneho ny maha zava-dehibe ny fisokafan’i Madagasikara. “Efa niteny mazava tsara izahay fa misokatra amin’ny rehetra,… Afaka miara-miasa amin’ny Amerikana, Frantsay, Rosiana, Afrikana indrindra satria Afrikana aho”, hoy ny Kolonely Randrianirina Michael, nandritra ny tafatafa nataon’ny fahitalavitra Rosiana RT azy, navoaka tamin’ny 20 novambra ary nozarain’ny ambasady Rosia tao pejin-tseraserany ny talata teo. “Raha vao fifanarahana mahasoa ny roa tonta ary afaka manampy ny vahoaka malagasy, dia vonona hatrany izahay. “Misokatra amin’ny rehetra izahay. Miresaka amin’ny rehetra izahay”, hoy izy nanamafy. Amin’izao fotoana izao, nilaza ny filoha fa mbola tsy nametraka mazava tsara ny lalana amin’ity “fisokafana” ity i Madagasikara. “Ao anatin’ny dingana izahay izay ianarana hoe aiza no afaka mandroso haingana kokoa. Aiza no hahazoan’ny vahoaka malagasy tombony betsaka (…), aiza no hahafahan’ny firenena mandroso amin’ny fandrosoana haingana kokoa”, hoy izy nanazava. “Miezaka mandinika izany rehetra izany izahay, mbola tsy nanapa-kevitra hoe iza no hiara-miasa haingana kokoa”, hoy hatrany ny fanampim-panazavany. Rehefa nanontaniana momba ny “toerany panafrikanista” sy ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Frantsa, dia nilaza, dia nahitsy izy nilaza hoe:“Eto izahaytsy hoe hifidy ny tsy hiara-miasa amin’ny firenena iray hafa. Heveriko fa tsy tokony hanana olana amin’izany i Frantsa. Misokatra amin’ny rehetra izahay”, hoy izy nanohy. Tsy t -hanome lanja ny raharaha momba ny fitsoahan’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina sy ny mety ho fandraisan’i Frantsa anjara tamin’izany kosa ny Filoham-panjakana ankehitriny. “Tsy nahazo antoka aho fa i Frantsa no nanatanteraka ny fialana”, hoy izy nanazava nialohan’ny nanolorany fijery hafa momba izany. Ho azy, io fialana io dia “nampanampy ny fametrahana vahaolana izay irina ho maharitra” eto amin’ny Firenena. Ny nametrahana ny manampahefana miaramila afaka mitarika ny firenena amin’ny fifampiresahana nasionaly mandaitra sy mandray anjara ary amin’ny fanavaozana no namafisiny fa tiana hapetraka. Manamafy ny hametrahana ny Fanjakana tan-dalàna, ny ady amin’ny fanetriben’ny Firenena moa ny Fitondram-panjakana ka nanamafisana indray fa ny manam-pahefana sy tompon’andraikitra tafiditra amin’ny raharaha kolikoly dia hatolotra amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany, fa tsy amin’ny Fitsarana Avo. Namafisina fa anatin’ny roa taona ny fe-potoana hametrahana ny fanavaozana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT