fiaviana ity fa Malagasy daholo isika ! »
Nanao fanairana sy antso avo ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka ny Filoham-panjakana Randrianirin Michael ny faran’ny herinandro teo, mba hanova ny fomba fisaina ka tsy ho roboka any anatin’ny teti-dratsy hampizarazara ny Malagasy amin’ny alalan’ny fivoizana resa-poko sy fihaviana. Tsapa sy tsikaritra ary voizina mafy mantsy io amin’izao fotoana izao, mba hiteraka fanenjehana ara-politika, ara-piarahamonina,… « Mangataka amin’ny Malagasy rehetra, isika efa natambatr’Andriamanitra ho Nosy iray, ka iza na iza mipetraka eto amin’ity Nosy ity dia Malagasy daholo. Ajanony fa ny zanantsika efa mifanambady ka maninona no mbola manao resaka fiaviana. Avelao any io fa raha te hiova isika dia isan’ny fioavana tokony hataontsika izany resaka izany », hoy ny Filoham-panjakana. Nitondra hafatra ihany koa amin’ny resaka Facebook, izay tsapa sy tsikaritra tato ho ato, fa tena betsaka ny mampiasa izany amin’ny fomba mivaona, entina hanompana sy haratsiana olona be fahatany, entina hamotehana sy hambolena toe-tsaina mirefarefa, izay tena mila fitandremana. Naneho ny Filoha fa efa tena manome fahalalahana ny Fanjakana, saingy tsy tokony hohadinoina fa misy ny lalàna. « Ny resaka fanalam-baraka sy fanompana kosa dia misy lalàna mifehy an’io facebook io, ka tokony hajaina mba hampifankatia antsika, ary rehefa manaja an’io isika dia mifankatia ho azy », hoy ny Filoha. Nilaza ihany koa ny tenany fa marobe ny olona mitondra ny anaran’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, manao contrôle zavatr’olona,maka vola aman’olona homena toerana, maka vola aman’olona amin’ny resaka fihaonana amin’ny filoha sy ny praiminisitra, ka tsy avy aminay ireny, ary raha misy manao an’izany any aminareo sambory, hoy ny Filoham-panjakana. Mikasika ny fiainagam-pirenena ankampobeny, namafisiny fa fanombohana ofisialy no atao mikasika ny fikaonandoham-pirenena amin’ny alarobia 10 desambra izao, efa misy mpamatsy vola miaraka miasa amin’ny FFKM, ary ny fanirian-dry zareo dia hatombony any amin’ny Fokontany, mba homena sehatra hiresaka ny olona any amin’ny fokontany, raha ny nambaran’ny Filoham-panjakana. Andrasana izany ny ho fizotrany sy ny endrika isehoany !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.