Politique

Filoha Rajoelina Hiova famindra manomboka eto ?


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Tsy nisy miafina amin’ny Papa Fransoa ny zava-misy eto Madagasikara, ary na tamin’ny teny malefaka aza dia mifono anatra sy hafatra lehibe ho an’ny Malagasy tsy an-kanavaka na ny mpitondra na ny entina na mpino kristianina na tsia na katolika na protestanta. Mahantra loatra ny Malagasy.

 

 

Lavitra loatra ny elanelan’ny mahantra sy ny manan-karena, mila iadiana ny koliloly, fiarovana ny tontolo iainana izay potika noho ny ataon'ny sasany amintsika ihany, izay simban’ny resaka trafika maro kanefa manan-karena i Madagasikara. Mila mamorona asa mba hialana amin'ny famotehana satria misy mivelona amin’ireny. Tsy ny fanampiana hoentin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany no mampandroso fa ny ezaka hoentin'ny isam-batan’olona. Mila henoina ny fiarahamonim-pirenena,… Ireny no hafatra nentin’ny Papa Fransoa. Irariana mba ho tafita sy hipaka amin’ny isam-batan’olona na ny mpitondra na ny entina fa tsy sanatria ho toy ny rano hatobaka an-damosin-gisa. Nanome toky teo imason’ny Papa ny filoha Andry Rajoelina fa tena hitsinjo ny vahoaka Malagasy sy hampandroso an’i Madagasikara araka ny tokony ho izy. Zava-dehibe ny resaka fiombonana sy fihavanana, ka asa na hanaraka izany ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena manomboka eto. Tsy hisy fampandrosoana vanona ao anatin’ny fifandrafiana, fifanenjehana, tsy fitovian-kevitra ara-politika, tsy fahamarinana, hala-bato,… fa mila miombona ny rehetra. Ny filoham-pirenena dia tokony ho mpampiombona na “Rassembleur” voalohany fa tsy hampiseho fitanilana na fihantsiana. Maro aloha hatreto ny toe-javatra maneho tsy fitovian-kevitra, toy ny lalàna mifehy ny fanoherana, ny raharaham-pitsarana mahazo ny mpanao gazety, indrindra ny mahakasika ny fifidianana hoe : hilamina sy ho araka ny tokony ho izy ve sa mbola hiteraka fisaraham-bazana noho ny mety ho fahatsapan’ny sasany fa feno hosoka sy kilalao maloto ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT