Politique

Filoha nandatsa-dra ny Malagasy Tsy maintsy hesorinay, hoy ny depiote


  • Alarobia 25 Aprily 2018

Roso ny tolon’ny depiote ho an’ny fanovana ary tsy hanaiky raha tsy miala ny filoham-pirenena. Hirodorodo hanatitra fitoriana mitaky ny fialan’ny filoha eny amin’ny Fitsarana noho ny fandatsahan-dra sy ny fandatsahana aina Malagasy izy ireo sy ny vahoaka anio alarobia.

 

 Amin’ny zavatra toy ireny dia tsy maintsy mitory ny tompo-manjo, fa tsy havela ho verivery fotsiny ny ra sy ny ain’ireny olona ireny, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Manomboka anio ihany koa dia handray anjara mavitrika amin’ny hetsika amin’izay ny sendika maro be sy fikambanana isan-karazany haneho ny heviny sy hitondra sorabaventy eny amin’ny Araben’ny fahaleovantena hilaza ny zavatra tsy zaka. Tsy nisalasala io solombavambahoaka io nilaza fa tsy vitan’ny namono olona fotsiny fa tsy nahavita nametraka ny fahaiza-mitondra ny firenena ny filoha. Tsy mendrika intsony ka fahendrena ho azy ireo ny mametra-pialana, miainga any amin’ny filoha raha ny nambarany. Miteny foana izahay hoe atsaharo amin’izay ity fanaovana vava tsy ambina amin’ny vahoaka Malagasy ity. Ampy izay ! Aoka izay ny fandranitana ny olona, ny fandranitana sy fandrahonana ireo solombavambahoaka fa samy olom-boafidy isika ary samy manaja ny asa tokony hatao, hoy izy.

Raha toa manaiky hiresaka na hiziriziry

Tsy ho tonga amin’izao raha nihaino ny antsoantson’izy ireo, raha nihaino ny tolo-kevitra, raha nihaino ny olona manam-pahendrena nanome hevitra toromarika azy nentina nitondrana ny firenena ny filoham-pirenena, hoy ny solombavambahoaka. Izahay efa nampitandrina sy niteny ary nanolo-tanana tamin’iny fanaovana ny lalàm-pifidianana iny, hoy i Hanitra Razafimanantsoa. Ny zavatra natao dia amboletra, ka notsinontsinoavina sy notapenana ny sofiny sy ny masony. Naleony nanao kolikoly tamin’ny solombavambahoaka novidiany tamin’ny vola. Efa maro ny aretina eto amin’ity firenena ity satria ny olon-tsotra tsy nahasahy niteny, ny sendika tsy nahasahy niteny,… satria izay mihetsika dia rahonana sy anaovana ramatahora. Mijoro ny solombavambahoaka ho an’ny fanovana hamaky bantsilana izany zavatra rehetra izany, hiaro, hisolotena ny vahoaka hiteny ny marary azy rehetra. Marina fa tsy misy tsy vitan’ny fifanatonana, saingy amin’izao isika miteny izao, vao omaly izy no niteny fa tsy hiala fa hoe mpitari-tafika, hoy i Hanitra Razafimanantsoa. Efa fantatray izany ary tsy vaovao aminay, ka raha ny toetrany ihany koa efa fantatray, fa olona tsy mba manana fanapahan-kevitra. Androany hafa ary rahampitso hafa, tsy olona natao hitondra fanjakana na “Homme d’Etat”, ary tsy olona manaja ny teny naloaky ny vavany na “Homme de parole”, hoy izy. Miteny dia tsy manohy sy manatanteraka ny zavatra nampanantenaina. Izany no nisy teto, ka raha hiteny izy hoe tsy hiala, dia hoy izahay solombavambahoaka ho an’ny fanovana hoe ampiasainay daholo sy taperinay daholo izay zavatra omen’ny lalàna anay hampiasaina hahafahana manala azy. Raha ohatra izy ka tsy hiala, ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ihany koa tsy hanaiky izany. Mino aho fa fomba hafa no hialany eo, dia ny vahoaka no hanala azy, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT