Filoha miantso fifanakalozan-kevitra

Asakasak’izay mbola tsy fay!


  • Alarobia 08 Oktobra 2025

Maivoka tsara iny teny Mahazoarivo, omaly, ny mpanao

gazety nefa vao ny sabotsy teo no nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hisokatra amin’ny haino aman-jery rehetra ny fampitàm-baovao amin’ireo andrim-panjakàna rehetra eto amin’ity firenena ity. Omaly talata ihany dia voasakana tsy navela hiditra teny an-toerana ny namany isan’ny nifampiresaka taminy teny Iavoloha iny sabotsy iny. Tsiahivina fa isan’ireo sehatra nasain’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hifampidinika taminy teny Iavoloha ny sabotsy teo ny mpanao gazety vitsivitsy nahazo izany fanasàna izany. Raha tamin’ny 4 ora sasany hariva no nambara voalohany fa fotoana andraisany an’ireo dia nahemotra tamin’ny 5 sasany avy eo. Ny tatitra voaray farany aza dia fantatra fa tamin’ny 8 ora sasany mihitsy ireo mpanao gazety vitsivitsy nambara ho solontenan’ny mpanao gazety rehetra ireo vao voaray. Adihevitra hafa moa ny hoe nahasolo tena sa tsia fa nahatarafana aloha izany teo fa efa namaivanin’ny filoham-pirenena sahady ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana satria dia ny fiarahamonim-pirenena sy ny forongony indray no noraisiny nialoha tamin’io 5 ora sasany io. Tsy nahagaga raha mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana, hoy ny fitenenana, dia efa nivadika tamin’ny teniny sahady ny filoham-pirenena. Tany aloha, 4 na 5 taona lasa no nilazana fa hisy fihaonana amin’ny mpanao gazety isam-bolana fa nankaiza ? Efa toetrany efa ela izany ka tsy tokony hatao hahagaga intsony, hoy ny mpandraharaha, Andry Ranaivo na Andry Concept, izay isan’ireo lasibatry ny fandrobàna sy fandoroana tamin’ny fanonganam-panjakàna notarihin’ny filoham-pirenena ankehitriny ny taona 2009. Nampanantenainy ity mpandraharaha ity tamin’izany fotoana izany fa oneran’ny fitondràna tetezamita ny fahapotehan’ilay orinasa rehetra, hoy ihany i Andry Concept, kanefa hatramin’izao tsy nisy akory izany. Tsy ity mpandraharaha ity irery no nijoro vavolombelona tamin’ny tsy fiazonan’ny filoham-pirenena ny teniny fa na ny mpanara-baovao koa aza dia afaka mamoaka santionany amin’ireo veliranon’ny filoham-pirenena tsy tanteraka marobe toy ny hoe «Tsy hanao politika intsony aho raha tsy vita ny lalam-pirenena faha 13 na RN 13». Aiza ny Flyover? Aiza ihany ny Tanamasoandro? Aiza ny fidinàn’ny vidina menaka sy kapoakam-bary? Maro dia maro ka asakasak’izay mbola tsy fay moa io izany ka andeha hitonatonana indray hamonjy ity resaka fanasàn’ny filoham-pirenena hifanakalo hevitra toy izay ho atao anio tolakandro amin’ny 2 ora ity!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT