Politique

Filoha mianakavy tany Israely Raharaham-pianakaviana sa raharaham-panjakana?


  • Talata 11 Aprily 2023

Nisafidy ny nandeha niampita ranomasina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ankohonany nandritra ny fankalazana ny fetin’ny paska teo.

Amin'izao vanim-potoana fankalazana ny paka izao, dia manatanteraka fivahinianana masina any Jerosalema ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny fianakaviany. Amin'ny maha mpino azy, dia zava-dehibe sy manan-danja tokoa izao fitsidihana tanterahiny any amin'ny tany anisan'ny masina indrindra maneran-tany İzao", hoy ny seraseran'ny Fiadidian'ny Repoblika ny zoma 7 aprily efa tamin’ny 11ora alina latsaka kely teo. Natao tamin’ny teny Frantsa moa ny serasera, ka isan’ny nambara fa fotoan-dehibe ahafahan'ny Filoha mianakavy maka aim-panahy na "se ressourcer spirituellement" io. Ny tena mahazendana tamin’ity dia ity, nolazaina dia tsy miankina na “voyage privé”. Nambara ihany koa anefa fa hisy ny fihaonan'ny Filoha amin'ny Filoha israeliana, Isaac Herzog, izay hifampiresahan'ny roa tonta ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisan'i Madagasikara sy Israël. Io indray dia toa midika fa misy dia ara-panjakana ka inona no tena marina? Volam-panjakana sa volany manokana? Nosarontsaronana amin’ny ara-panjakana noho ilay fihaonana ny fanaovana fizahantany? Manana ny zo handeha any amin’izay tiany ny Filoha mianakavy, saingy maro ihany koa no mitsara hoe: ny vahoaka Malagasy fadiranovana eto ary isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitanatana fa ny mpitantana migalabona manao fety any ivelany. Tsy mitsara, fan a izany aza ventesina sy toa hanaovana serasera matetika ny resaka finoana sy ny anaran’Andriamanitra tato saingy ny iaraha-mahita sy misongadina amin’ny raharaham-pitantanana an’I Madagasikara dia fahantrana, kolikoly avo lenta, afera maloto,…
SERASERA SY SEHO IVELANY NO LASA ALOHA?
Nanaovana serasera avy eo hoe: “mahavelom-panantenana ny ho avin'ny fiaraha-miasa eo amin'i Israely sy Madagasikara taorian’ny fihaonana tam-pirahalahiana tokoa teo amin'ny tenako sy ny filoha Isaac Herzog. Niompanan'ny dinika nifanaovana ny teknolojia momba ny rano, ny angovo, ny fahasalamana ary ny fambolena sy ny fiompiana. Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena dia hisy ny dia hiverenana aty Israely hiarahana amina delegasiona manokana momba ny toe-karena sy ny ara-barotra araka ny fanasana izay nataon'ny filoha İsaac Herzog”. Raha ny rafitra ara-pitantanana any Israely aloha, ny Praiminisitra no tena mitondra sy tompon’ny fanapahan-kevitra ara-politika, diplaomasia, toekarena, sosialy,… Rafitra parlemantera na “régime parlementaire” ny any Israely, ka ny parlemanta 120 mandrafitra ny Knesset no mifidy ny Praiminisitra hiasa 4 taona, ka io no miantoka ny fitantanana ny firenena, fa filoham-boninahitra (honorifique) tsy tena manana fahefana ny Filoha izay fidian’ny Knesset, mandritra ny 7 taona. Tena misy zavatra be antenaina avy aminy araka ilay seraseran’ny Fitondrana ve? Efa ela ihany koa izay nanaovana serasera fa mahavelom-panantenana izay, efa betsaka izay sary nalaina niaraka tamina mpitondra vahiny izay, fa ny vokatra aloha raha tarafina amin’ny fihemoran’ny firenena ankampobeny dia miiba.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT