Filoha mateti-piavy any Afrika

Propagandin’i Richard Randriamandranto…


  • Talata 20 Aogositra 2024

Sesilany ny fivoahan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina any ivelany, ary tsikaritra ho manao pi-maso aty Afrika

Nanao ranolava ny fandehanana tany Afrika tato ho ato ankoatra ireo dia efa am-polony mahery nanomboka tamin’ny janoary, ka heverina ho misy tanjona ara-politika ihany ankoatra ny diplaomasia, dia ny fanaovana propagandin’Atoa Richard Randriamandrato ho kandida ho Filohan’ny Kaomisionin’ny Vondrondra Afrikanina. Io firotsahana io izay heverina fa nentina nisotasotana an’Atoa Hery Rajaonarimampianina izay efa nifampiresaka tamin’ireo mpitondra Afrikanina sasany. Hatramin’izay isika tsy niraharaha firy na i Afrika na ny SADC, ary tsaroana tsara aza tamin’ny tetezamita ny hoe : alefaso aty ny tafika ny SADC hanaovanay fanazaran-tena. Sanatria manamaivana ny kandida aroson’i Madagasikara fa mandinika sy mijery ny zava-misy iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana dia mametra-panontaniana ihany hoe : Ahoana moa no handresen'Atoa Richard Randriamandranto an'i Railä Odinga izay efa Filoham-pirenena teo aloha ary tohanan'ny Filoha amperin'asa ao Kenya ? Tsy Atoa Hery Rajaonarimampianina ve no miady kokoa ny lalao ? Mpilalao divizionina faha-4 no ajoro kanefa lalao iraisam-pirenena no atao, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny HVM Atoa Rivo Rakotovao herinandro lasa izay, ka asa hanao ahoana tokoa ny ho vokany amin’ny volana febroary 2025 hanaovana ny fifidianana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT