Filoha mampandany kandidam-panjakana

Sady manitsakitsaka lalàna no manabado vahoaka…


  • Alarobia 22 Mey 2024

Tsy misy tahotra sy henatra intsony ny propagandy an-karihary ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Mitombo ny fahasahiana ka ny tenany mivantana mihitsy no mangataka an-kolaka fa ny fifidianana ny kandida depiote IRD amin’ny 29 mey no fanomezana tadiaviny ho an’ny tsingerin-taonany izay ny ampitson’ny fifidianana. « Mila fampandrosoana isika !Amboarintsika ny làlana, hiaraka handrososo isika ! Izao ary no teneniko anareo 29 mey ilay fifidianana ary 30 mey ny tsingerin-taona naharerahako. Noho izany dia izao, rehefa any Antananarivo aho te haheno vaovao mahafinaritra be hoe : efa mamaly fitia ny vahoakan’Ikongo, te handroso ny vahoakan’Ikongo, ity ny « Cadeau d’Anniversaire-nao » Mr le Président ! », hoy i Andry Rajoelina. Raha miverina amin’ny tantara, tao Ikongo no nisy ilay fitifirana vahoaka nahafaty olona 30 mahery fa vitavita ho azy, tao no nisy ilay vary nozaraina tamin’ny madco sy nafatra tamin’ny sotro, distrika ambony indrindra ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo, nisy hatramin’ny hoe : nivaro-janaka,… Tena niasa ho an’Ikongo ve ny Fanjakana teo anatrehan’ireny sa ny nanarontsarona no tena natao dia izao tonga ny fifidianana vao mikorapaka ka mandeha ny blablabla… Mandeha ny fizarazarana zavatra toy ny jiro, lambahoany, ka nilazana fa tsy tonga tamin’ny tanam-polo fa nivatsy fanomezana ho mariky ny fitiavana sy ny fihavanana. Miharihary tahaka ny natao tany Ambatofinandrahana fa ny hanao izay handresena sy tsy hahalany ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa no tena tanjona. Ny fiadian’ity farany ny tombotsoan’Ikongo sy ny distrika maro no nanenjehana azy raha nilaza fa ny làlana manerana ny distrika tapitra potika, ary anisany ny azy, ka ireo no tokony ho laharam-pahamehana noho ny teleferika hitrosana vola tsy toko tsy forohana amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy. Tsy resaka fiandaniana fa mieritreritra ve i Andry Rajoelina sy ny kandidam-panjakana fa hatakalon’ny olona ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa ? Na koa hatakalon’ny vahoakan’Ambatofinandrahana an-dRtoa Christine Razanamahasoa any Ambatofinandrahana. Na tiam-bahoaka aza dia mandeha ny resaka fa havadika sy hatsimbadika hatramin’ny voka-pifidianana ? Mikorapaka mafy manao propagandin’ny kandidam-panjakana ny mpitondra miainga any amin’ny Filoha fa tsy mahatoky valera, ratsy ny vokatra eo amin’ny fitantanana raha tarafina amin’ny fiainam-bahoaka sy ny toekarena, ary hita taratra io manerana ny Nosy. Nitohy tany Manakara, Tsihombe, Ambovombe, Toliara,… ny pi-maso politika tamin’ny alalan’ny fizarazaran-javatra. Andaniny, mangina sy manapi-maso ny HCC sy ny CENI eo anatrehan’ireo endrika fandikan-dalàna samihafa, mba tsy hilazana fa voabaikon’ny fahefana mpanatanteraka, ka mipetraka ho ambonin’ny lalàna ny mpitondra. Asa izay ho fiafaran’ity toe-draharaha politika ity ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT