Politique

Filoha Malagasy nifandimby Ny teraka alakaosy no nahay nitondra


  • Alatsinainy 09 Novambra 2015

Nankalaza ny faha-79 taonany ny amiraly Didier Ratsiraka ny alarobia 4novambra ary ny 6novambra kosa ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina

. Raha ny tononandro na ny zara vintan’izy ireo dia alakarabo na Scorpion. Ho an’ny mahay azy dia kapotsaka ny mitondra io vintana io amin’ny malagasy. Asa na fifanandrifian-javatra fa ny 6novambra 1995 no may ny rovan’i Manjakamiadana. Nanomboka teo izany dia nankalaza ny tsingerintaonany tao anatin’ny fahamaizan’ny vakoka iraisam-pirenena ny filoha ankehitriny. Raha ity zara vintana ity dia ny vintana alakaosy na sagittaire no manam-bintana hitondra. Anisan’ny nalaza tamin’ireny Andrianampoinimerina. Filoha alakaosy nitondra teto ihany koa I Ravalomanana Marc izay teraka ny 12 desambra. Niharina haingana ny  firenena saingy voaongana izy 7 taona taty aoriana. Ho an’ireo mpandinika sy mpandala ny maha Malagasy dia mila haverina ny hasina raha tiana ny hiarenan’ny firenena haingana.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT