Filoha lefitry ny CENI

Misy ampamoaka hafahafa mivoaka


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

anisan’izany ny fahalanian’i Kandida Andry Rajoelina », hoy ny fanehoan-kevitr’i Patrick Raharimanana, mpikambana ao amin’ny CENI sady solontenan’ny fiarahamonim-pirenena notendrena avy amin’ny KMF/CNOE. Fantatra koa anefa fa Filoha nasionalin’ny Croix-Rouge Malagasy i Andriamalazaray, hoy ny fanamarihana. Araka ny lalàna 2015-020 and. 22, izay mifehy ny CENI, dia voarara ny mpikambana maharitra mitana andraikitra amin’ny rafitra hafa mandritra ny 6 taona. Tsy mahazo mampifangaro asa na andraikitra hafa koa izy ireo, ary tokony hametra-pialana amin’ireo toerana rehetra. Manao fianianana amin’ny fanajana izany lalàna izany mialoha ny fandraisana andraikitra izy ireo. Eo anatrehan’izany, ahiahiana ho fanitsakitsahana lalàna ny zava-misy amin’izao, satria mbola filohan’ny Croix-Rouge i Andriamalazaray hatramin’izao, raha ny voalazan’i Patrick Raharimanana. Ity fikambanana ity dia voafehin’ny lalàna 60-133 ary voasokajy ho “association d’utilité publique”, afaka mahazo fanohanana sy vola avy amin’ny fanjakana. Izy irery ihany no manana fahefana ofisialy hisahana vonjy taitra sy asa sosialy eto amin’ny firenena. Saingy araka ny fitsipika iraisam-pirenena mifehy ny Croix-Rouge, dia voarara tsy hiditra amin’ny politika ny tompon’andraikitra ao aminy. Raha sanatria misy manao izany, dia tokony hametra-pialana avy hatrany. Raha misy fahabangana eo amin’ny filohan’ny Croix-Rouge dia misolo azy avy hatrany ny filoha lefitra. Nambaran’i Patrick Raharimanana fa efa mitarika adihevitra ao anatin’ny CENI ny amin’ny maha ara-dalàna an’i Andriamalazaray, satria mbola mitana andraikitra amin’ny Croix-Rouge. Mety hanimba ny fahamarinan’ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny CENI izany, anisan’izany ny fifidianana Filoham-pirenena 2023 sy ny fifidianana Ben’ny tanàna. Voalaza fa efa nanao fametram-pialana an-tsoratra i Andriamalazaray amin’ny maha filohan’ny Croix-Rouge azy, saingy tsy nisy fanambarana ofisialy sy tsy naseho ampahibemaso. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa dia mbola manohy ny andraikiny izy ary tsy te ho hita amin’ireo fivoriambe sy lanonana lehibe, hoy hatrany ity karazana fanehoan-kevitra miendrika fanatsikafonana ity. Ahina koa ny mety hisian’ny kolikoly ao amin’ny Croix-Rouge, satria vola amina miliara sy entana maro avy any ivelany no mivezivezy ao, indrindra amin’ny loza voajanahary sy vonjy taitra. Misy koa ireo tolotrasa isan-karazany. Noho izany, ilaina ny mangarahara sy fanazavana mazava momba ny toeran’i Andriamalazaray Andoniaina eo anivon’ny Croix-Rouge sy ny CENI, satria mety tsy ara-dalàna ny fanapahan-kevitra rehetra raha nisy mpikambana tsy ara-dalàna ao amin’ny vaomiera mpikarakara fifidianana, hoy hatrany ity karazana ampamoaka ity. Andrasana na izany aza ny mety ho setriny na fandisoana avy amin’ny andaniny na ny rafitra voatonontonona. Hanara-dia ny Filoha lefitry ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo Atoa Andoniaina Andriamalazaray ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT