Filoha lefitry ny Antenimierampirenana

Lasa nanamafy ny tolona ny depiote Papasolo


  • Talata 10 Oktobra 2023

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena, ary manomboka miova hatrany ny sary politika. Raha miha mahazo vahana

 sy maharesy lahatra olona maro ny tolona sy fitakiana ataon’ny Firaisankinan’ny kandida na tsy misy fanambazana sy fividianana olona aza, dia tsikaritra ho mihen-danja hatrany kosa ny ao anaty sambon’ny fitondrana. Raha ny sary nivoaka omaly, dia tazana ho lasa niray làlana amin’ireo depiote ao anatin’ny fanoherana sy miara-dia amin’ny tolon’ny Firaisankinan’ny kandida ny solombavambahoakan’I Faratsiho sady Filoha lefitry ny Antenimierampirenana avy amin’ny Faritanin’Antananarivo Atoa Rasolonjatovo Honoré na Papasolo, izay marihina fa lany tamin’ny IRD. Ity farany izay mpandraharaha ankoatra ny maha solombavambahoaka azy, ary malaza ho isan’ny nanaovan’ny mpitondra antsojay na depiote lany tamin’ny lokon’ny IRD aza. Nisy ihany koa ny feo nandeha tamin’ny fotoana fandrotsahana ny dosien’ny kandida ho filoham-pirenena fa anisan’ny handray anjara izy. Tsy izay anefa no nitranga. Filoha lefitry ny antenimierampirenena miisa 3 dia ny tenany sy Atoa Brunelle Razafitsiandraofa filoha lefitry avy amin’ny Faritanin’I Fianarantsoa ary Atoa Jean Jacques Rabenirina Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’I Toliara izany no isan’ny tsy ao anatin’ny sambon’ny fitondrana intsony, raha tena efa nisintaka izy. Iny niaraha-naheno iny ihany koa ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa izay nanameloka ny herisetra sy nanambara fa mila hajaina ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon’olombelona, ary nanao tahaka io ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa, izay midika zavatra goavana amin’ny politika. Efa ela no tsy iray làlana tamin’ny volomboasary intsony ry Hajo Andrianainarivelo, nisintaka ihany koa ry Siteny Randrianasoloniaiko, izay samy kandida mifaninana amin’I Andry Rajoelina, ary ao anatin’ny Firaisankinan’ny kandida mijoro sy manohitra ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena noho ny amboletra dia ny fahafahan’ny filoha teo aloha mirotsaka na efa very aza ny zom-pirenena maha-Malagasy azy. Betsaka ireo solombavambahoaka nisintaka tao anatin’ny fitondrana toa an-dry Keron Idealson sy ny namany, ireo lany tamin’ny lokon’ny MMM,… Henjana ihany koa ny tsikera ataon-dry depiote Paul Bert Rahasimanana na Rossy na mivantana na ankolaka,… Midika zavatra goavana ireny satria raha io sary mitranga io, dia saika olona manana lanja ara-politika avokoa ireo ampahan’olona voatanisa ireo, izay mety mieritreritra sy tsy te handoto ny hoavy politika eo anatrehan’ny fahadisoana ataon’ny volomboasary.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT