Politique

Filoha hikabary any amin’ny ONU anio Ny fandraisana anjara no zava-dehibe


  • Alarobia 21 Septambra 2022

Mandray anjara amin’ny andiany faha-77 amin'ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana na ny ONU any New York izay manomboka amin’ny fomba ofisialy omaly 20 septambra 2022,

ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny fanamafisam-baovao ofisialin’ny Fanjakana. Anisan'ny mandrafitra ny delegasiona izay tarihin'ny Filohan’ny Repoblika ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Mpitondra tenin’ny Governemanta ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Any Etazonia ihany koa moa ireo minisitra miisa 3 miantsoroka ny fanabeazana sy ny fampianarana satria nifanindran-dàlana tamin’ity fivorian’ny Firenena Mikambana ity Fihaonana an-tampony iraisam-pirenena momba ny fanatsarana ny rafi-panabeazana. Miandrandra famatsiam-bola avy avy amin’io moa ny firenena Malagasy izay nitondra ny vinam-panaovazana heverina hampiharina eto. Tohin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, handray fitenenana anio 21 septambra 2022 amin'ny 6 ora hariva ora eto Madagasikara ny Filoha Andry Rajoelina, eo amin'ny laharana faha-11, miaraka amin'ireo Filoham-pirenena hafa toa ny Filoha amerikana Joe Biden, izay eo amin'ny laharana faha-7. Andrasana manokana ny lahatenin'ny Filohan’ny Repoblika malagasy, mahakasika ny fanarenana ara-tsosialy sy ara-toekarena taorian’ny covid sy ny fampiharana ny "Plan Emergence de Madagascar", hoy ny fampitam-baovao ofisialy. Voninahitra lehibe ny hiteny eo ambony pilopitran’ny Firenena Mikambana. Na izany aza, azo lazaina ho mbola ny fandraisana anjara aloha no tena zava-dehibe ho an’I Madagasikara. Hiresaka fanarenana ara-tsosialy sy ara-toekarena taorian’ny covid-19 kanefa iaraha-mahita sy miaina ny zava-misy eto Madagasikara fa ambony ambany ka isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana. Hiresaka PEM, izay porofon’ny lainga sy fitaka natao tamin’ny vahoaka Malagasy satria tany am-piandohana nolazaina fa ny hahatongavana eo no ela. Aty amin’ny 4 taona nitondrana anefa tsy nahavita akory ny antontan-kevitra lasitra na “document cadre” hitondrana ny firenena. Izao vao handresy lahatra mpamatsy sy mpampiasa vola ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT