Politique

Filoha, governemanta, depiote IRD Lasa kiboribory vetaveta ny fitantanana firenena


  • Talata 13 Desambra 2022

Nisy omaly ny fanambarana ara-politika fohy nataon’ny filohan'ny Antenimierampirenenena, Razanamahasoa Christine, manoloana ny ambarany fa fisiana toe-draharaham-pirenena mampisavorovoro ny sain’ny vahoaka

Malagasy ankehitriny. Tao anatin’ny tapany voalohan’ny fanambarana, dia nilaza Rtoa Christine Razanamahasoa, fa “Andraikitra apetraky ny lalàmpanorenana ho an’ny solombavambahoaka, araka ny andiny faha-103 ny fandrefesana ny asan’ny governemanta amin’ny fanatanterahana ny politika ankampoben’ny Fanjakana”. Marihina fa tao anatin’ilay taratasy fitsipaham-pitokisana, dia natsikafon’ny depiote tanteraka ny governemanta. Ampangain’ny depiote ho tsy manaja ny fisaraham-pahefana ny governemanta, tsy mahatanteraka ny programan’asa voarakitra ao anatin’ny Politika Ankampoben’ny Fanjakana izay natolotra ny antenimiera, izay raha ny tatitry ny “cours des comptes” voarakitra ao anatin’ny “Loi de reglement 2019” izay milaza fa tsy nahatratra salan’isa ny fanatanterahana ny progaraman’asa satria 45% fotsiny. Tsy mahafehy ny fahantrana, izay nitombo 81% ny tahany. Natsikafon’ny depiote ny fivoahan’ny harem-pirenena antsokosoko: vato sarobidy, hazo sarobidy, harena an-dranomasina, biby, volamena, ny fanjavonan’ny volamena 36kg tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Tahaka izany ihany koa ny fitantanana tsy mazava ny orinasam-panjakana: Air Mad, JIRAMA, FCE, Pharmalagasy, Madarail, SMMC, SECREN,… Ho an’ny toekarena: fisian’ny ampihimamba eo amin’ny fanondranana voly fanondrana toy ny lavanila sy litisy, tsy fifehezana ny vidim-piainana, tsy fisiana famoronan’asa, tsy fisian’ny finiavana hametraka tontolo malalaka sy ara-dalàna ahafahana mandraharaha sy mihary,… Tamin’ny tapany faharoa anefa, “Ny solombavambahoaka maro an’isa (majorité parlemantaire) eto anivon’ny Antenimierampirenena (IRD), indrindra ny tenako manoana, dia manamafy hatrany ny fiarahamiasa sy fanohanana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ao amin’ny politikan’ny fampandrosoana ny firenena ho tombbotsoa ambonin’ny firenena. Koa eto am-pamaranana dia eto am-pamaranana, dia miantso fitoniana sy filaminana ho an’ny vahoaka Malagasy fa ny isavorovoroan-kilatoana”, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Ny governemanta nanjakan-dRajoelina efa naboridan’ny depiote ny tsy fahombiazany, Rajoelina tsy te hikitika ny governemanta noho ny mety ho tahotra ara-politika, ny depiote maro an’isa manohana an-dRajoelina ary manohana amin’ny politikam-pampandrosoany, ny governemanta hanatanteraka izany anefa efa lazaina fa tsy mamely, ny Antenimiera sy ny Filohan’io andrim-panjakana io maty henjiky ny olon’ny governemanta tahaka ny ataon’ny Minisitry ny serasera,… Toa lasa kiboribory vetaveta na “cercle vicieux” araka ny fiteny vahiny ilay politika sy raharaham-pitantanana Fanjakana. Fantatra fa tsy mety intsony ilay fomba fiasan’ny Governemanta koa maninona no nosintomina ilay fitsipaham-pitokisana? Tena ny tombontsoam-bahoaka tokoa ve no imasoan’ireo solombavambahoaka maro an’isa ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT