Politique

Filoha efa vazaha taratasy “Araho ara-bakiteny ny lalàna, mila mizaka ny nataony”


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Tokony mamoaka didy momba an’io ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eo anatrehan’ny raharaha fizakan’ny

Filoha ankehitriny Andry Rajoelina zom-pirenena Frantsay, raha ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafimahova tamin’ny fahitalavitra Real TV omaly. Nivoaka ny 02 aogositra ny antontan-taratasy ilaina. Miisa 15 ireo, ka anisany ny taratasy manamarina ny fizakana zom-pirenena. Manamarina ny antontan-taratasy raisiny ny anjaran’ny HCC. “Marina fa mbola tsy namoaka “avis” na “decision” fa efa niteny ampahibemaso ny HCC. Hajao ilay fitsipika, ka raha nisy ny nihoa-pefy, naka fanapahan-kevitra noho ny fiainany, dia anjarany ny mizaka an’izany. Efa nilaza mazava ny Filohan’ny HCC, fa ny resaka zom-pirenena dia miankina amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany. Ilaina ny “certificat de nationalité” izay avoakan’ny tribonaly ambaratonga voalohany. Mazava ny lalàna, rehefa feno taona, ka ianao no nangataka zom-pirenena vahiny (natutalisation) dia very ny zom-pirenena maha Malagasy anao, ary mbola mihatra iny na tiana na tsy tiana, fa tsy tokony hisy fifanamboarana izany, fa ampiharina fotsiny”, hoy io mpandinika ara-toekarena sy politika io. Nahitsy izy nilaza fa ny Filoham-pirenena no tokony ho olona voalohany fitaratra amin’ny fampiharan-dalàna, toy ny ohatra nasehon’ny Pr Zafy Abert izay nanaiky ny “empêchement” natao taminy izay vokatry ny tsy famoahana didy fampiharan-dalàna na “promulgation” telo na efatra teo no nialany. Amin’izao fotoana izao, misy fitsipi-dalao tokony harahin’ny rehetra, misy lalàna velona, mila arahina ara-bakiteny. Raha misy resaka tokony hatao dia ao anaty sehatra iray satria ny dikan’izay dia misy fifanarahana mety hatao fa tsy fanapahana, hoy ny fanehoan-keviny. Heverina fa hamaritra ny hoavy politikan-dRajoelina iny maha vazaha taratasy azy iny, ary henjana ny tsindry ara-politika mitatao aminy. Hanaja tena sy hanaja ny lalàna mba ho fanajana ny soatoavina Repoblikanina sa hinia hiziriziry amin’ny hambo-po politikany? Ho voalamina amin’ny fifanarahana politika iny raharaha iny ka holeferina sa ho veloma hatreo ny amin-dRajoelina amin’ny fiheverana mbola hirotsaka indray?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT