Filoha champion, 6ème dan, mahazo amboara

Vahoaka mahantra fadiranovana, Firenena feno kolikoly


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Tontosa tao amin’ny Mariott Casablanca ny andiany faha-14 amin’ny lanonana fanolorana

mari-pankasitrahana ho an’ireo "Persons of the Year", izay nahazoan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny mari-pankasitrahana "Leader politique africain de l'année", araka ny tatitra avy amin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Tsy namelan’i Andry Rajoelina raha tsy nakany izy na dia heverina fa serasera nilentika tany amparahatoky ny mpitondra aza ny ny nataon’i Ny Rado Rafalimanana izay tsy naka ny amboarany, fa nilaza hifantoka amin’ny Malagasy traboina. Notsiahivina tamin’izany fa nahazo ny salanisa 65,69% i Andry Rajoelina nandritra ny fifidianana nokarakarain’ny African Leadership Magazine, nihoatra an’i Wavel Ramkalawan, filohan’i Seychelles (20,48%) sy i Félix Tshisekedi, filohan’i RDC (13,83%). Araka ny fanazavan’ny Fiadidian’ny Repoblika Malagasy, anisan’ireo masontsivana noraisina ho fototra amin’ny fisafidianana ireo hahazo ity mari-pankasitrahana ity ny: Fananana vina mazava sy drafitra mivaingana ho fampandrosoana ny firenena, fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena afrikanina, ary ny fiarovana ny tombontsoan’i Afrika amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nandresy tamin’ny kabary ambony latabatra sy resaka mipoapoaka fa poakaty i Andry Rajoelina raha tarafina amin’ny zava-misy eto Madagasikara. Dia tena sahy mirehareha fa mahomby noho ny Filohan’i Seychelles kanefa ny harin-karena faobe na PIB par habitant ao amin’io Firenena io izay 17 879,24 USD (2023) araka ny fanasokajian’ny Banky iraisam-pirenena kanefa ny antsika 528 dolara ? Ny Malagasy mahantra fadiranovana ny 80%, i Madagasikara nosokajin’ny Banky Iraisam-pirenena ho isan’ireo Firenena 9 fadiranovana indrindra aty Afrika Atsimon’i Sahara, anatin’ireo Firenena 40 farany be kolikoly indrindra satria faha-140 amin’ny 180,… Manampy trotraka ny nahatafiditra antsika ho isan’ny Firenena tratry ny fanadihadiana tany Génève vao ny janoary teo noho ny tsy fanajana zon’olombelona, fanitsakitsahana demokrasia,… Mirarakopana ny amboara sy ny anaram-boninahitra maha tompondaka : indostria, fanjarian-tsakafo, haitarika,… Tena amboara mendrika ny zava-misy sa sanatria zavatra namboamboarina hantsaratsarana endrika eo anatrehan’ny Afrikanina sy Malagasy Malagasy manoloana ny tsy fahombiazana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT