Filoha be marenina sy mpanamarin-tena

Efa nilentika ny sambo vao andao hifamela


  • Alarobia 15 Oktobra 2025

Raha voasakana tsy nandeha tamin’ny TVM,

dia navadika ho endrika mivantana na « direct » tao amin’ny pejiny sy tao amin’ny pejin’ny Fiadidian’ny Repoblika ny resaka nataon’i Andry Rajoelina afak’omaly. Ampahany tamin’io ny nilazany fa nisy andiana miaramila vitsivitsy atosiky ny mpanao politika vitsivitsy hifofo ny ainy, nambara fa misy mikasa hanafika Iavoloha, ka voatery nitady toerana hiereny izy. Mbola niezaka nanao serasera mafy ny pejin’ny Fiadidian’ny Repolika nilaza omaly, fa fanonganam-panjakana no nataon’ny miaramila omaly teny Ambohitsorohitra. Mbola namoaka karazana makety omaly mikasika ny fihavanana, vahaolan’ny Jirama,… Nilaza fa nametraka « processus fifamelana », efa nanasonia famelan-keloka avy amin’ny Filoham-pirenena, hitohy amin’ny fonja manerana an’i Madagasikara ho an’ireo mahatsapa fa nogadraina tsy ara-drariny. Mila mifamela sy manova fomba fiasa, hoy izy ny alatsinainy teo. Ny famelan-keloka nataony izay heverina fa ireo Frantsay roa no tena zava-dehibe aminy, fa ireo Malagasy mbola betsaka no tavela any. Tsy ny fanehoan-kevitra no olana fa ny voka-dratsy ataon’ireo mpanararaotra, hoy hatrany i Andry Rajoelina izay miezaka manenjika ireo tsy mitovy fijery azy ho mijapy ny fitakian’ny tanora. Niezaka nandoto ny hafa hatrany, fa tsy mba miaiky ho tompon’andraikitr’izao krizy mitranga izao. Mba hisian’ny fitoniana, hoy Rajoelina, dia efa navela malalaka ny mpanao fihetsiketsehana, fa tsy tokony hokorontanina ny fiainam-bahoaka, tokony hajaina ny safidin’ny hafa, misy manohana, misy manohatra,… Tena namela malalaka sa nikiribiby nampifamono ny mpitandro ny filaminana. Rajoelina no nanokatra ny 13 mey sa ny CAPSAT ? Ho tonga amin’izao ve raha mba nanana fanetren-tena sy nihaino i Rajoelina hatrany amin’ny 2023 ? Efa milentika ny sambo, efa avy nandatsa-dra, nampiady ny « forces », namono olona maro,… vao hoe : mila mifamela ? Hatramin’ny omaly, mbola niezaka niziriziry hatramin’ny farany i Andry Rajoelina, saingy nilatsaka ny didin’ny HCC manambara ny fahagaban-toerany sy nanendry ny mpisolo azy, ka teo no tsy nisy serasera intsony avy aminy. Asa hanao ahoana ny fivoarany anio ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT