Politique

Filoha ankehitriny Demokraty taiza sy oviana ?


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Voizina indray ankehitriny taorian’ny fandaharana manokana nataon’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina fa diso demokraty loatra hono ity farany.

Tadiavina avokoa izao hevitra sy serasera hoenti-mandoka ny Filoha am-perin’asa izao. Raha nolazaina fa tsy ny kiana any anaty facebook no handrefesana ny fankasitrahan’ny vahoaka, dia nivadika roa andro taoriana fa be mpanaraka sy mpanohana anatin’io tambajotran-tserasera io. Mitohy aty amin’ny filazana fa diso demokraty loatra,… Mipoitra avy hatrany ny setriny avy amin’ny olom-pirenena. Demokraty ka no nakatona Ambohijatovo izay izy ihany no nanokana azy ho kianjan'ny demokrasia ? Sa izay mihitsy ilay demokraty? Demokraty ka no manilika ny kandida mpifanandrina aminy amin'ny anto-bola firotsahan-kofidiana? Demokraty ka no tsy mamela ny antoko hafa ankoatra ny volomboasary haneho hevitra (eny na dia manaja ny lalàna velona aza ny antoko politika). Sa ireny miaramila manakantsakana etsy sy eroa ireny no maneho fa tena demokraty izy? hoy ny setriny. Raha mpanao politika demokraty izany mahandry fifidianana, fa tsy nanao tahaka ireny tamin’ny 2009 sy 2018 ireny, ary mahay mampandefitra ny hambo-po diso toerana fa tsy manao sorona firenena. “Tsy ao anaty diksioneran’ny mpanongam-panjakana izany demokrasia izany fa ny ambony indrindra aminy dia ny hitazona sy hifikitra an’io fahefana io araka izay tratrany sy takatry ny sainy”, hoy ny mpandalina politika sady mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo iray. Iny adihevitra iny indray ny raharaha anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, izay lasa fiampangana ny Fitondrana ho manao sivana politika handrarahana ny manan-kevitra mba hanjakan’ny manam-bola. Ny tontolon’ny haino aman-jery, tena endriky ny demokrasia ve ny fanapahana ny fahafahan’ny haino aman-jery sasany ho sitrahan’ny any amin’ny faritra? Tena afaka misitraka ny tambajotran’ny zanabolana ve ny rehetra sa mandeha ny tsindritsindry sy sakantsakana, ka betsaka no manao fangatahana tratry ny sivana, vao tsy mitovitovy firehana amin’ny fitondrana? Demokraty ve ny fitompoana teny fantatra sy fiziriziriana tsy mahalala afatsy ny tena ka sahy milaza fa hoe: “ny ahy ihany ny tena marina” kanefa tena azo porofoina ny mety ho fahadisoany raha tsy hilaza afatsy ilay antontan’isa ho momba ny tahan’ny fahantrana ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT